Raikitra manomboka anio alarobia 2 septambra 2026, araka ny efa fampitàm-baovao voaray, moa izany ny dinika politika ao anatin’ilay antsoina hoe fikaonandoham-pirenena eto Madagasikara ho famahana ny olana ara-politika nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay. Raha ny fanazavàn’ireo mpisehatra politika naharay ny fanasàny avy aloha, na avy amina antoko politika io na vondrona na vovonana, dia samy manana ny fotoana handraisana ny sosokevitr’izy ireo eny Iavoloha avokoa ireo mpisehatra. Hangonina manomboka anio izany ny vahaolan’ny mpanao politika na koa sosokeviny sy izay mety ho hadihevitra mifandraika amin’izany rehetra izany, raha ny tombatombana aloha. Hatramin’ny faha 8n’ity volana ity no hanatontosàna izay dinika politika izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija