airtel

Politique

13-mars-2024

Vahoaka mahantra, mpitondra be rendrarendra

Miha fadiranovana ara-tsakafo hatrany ny Malagasy

Sample post image

Tahaka ny tamin’ny volana novambra 2023,

13-mars-2024

anisan’ny mbola voasokajin’ny FAO na ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fambolena ho anisan’ireo Firenena Afrikanina 33 mbola mila tohana ara-tsakafo avy any ivelany i Madagasikara, araka ny notaterin’ny vaovao an’habaka iray omaly. Antony lehibe tena mampaharitra ny olana ny lafiny ara-toetr’andro fa indrindra indrindra ny fitarazohan’ny fiarenanana ara-toekarena, raha ny tatitra nentin’ny FAO nivoaka tamin’ity volana marsa ity, mikasika ny tomban’ny fiotazana sy ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo. Na teo aza ny voalaza fa fihatsarana kely mitaha ny tamin’ny taon-dasa, dia notsipihan’io rafitry ny Firenena Mikambana io, fa manodidina ny 1,7 tapitrisa ireo olona any amin’ny Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinana izay voatery nisedra ny phase 3 na ny dingana fahatelo ao anatin’ny sokajin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Io tarehimarika io dia maneho fa maro ireo olona izay ao anatin’ny hamehana ambony amin’ny lafiny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Teo amin’ny lafiny famokarana, notombanan’ny FAO ho 40,03 tapitrisa taonina ny famokarana voamaina taty Afrika ny taona 2023, izay niakatra 9% teo raha ampitahaina tamin’ny salan’isa nandritra ny dimy taona. Tany Afrika Atsimo sy Zambie izay firenena lehibe amin’ny famokarana katsaka anefa no tena nahitana izay fitomboana izay, narahin’i Madagasikara sy Zimbabwe. Somary tsaratsara kokoa ny tontolom-pambolena noho ny rivodoza izay niha nalefaka kokoa teto Madagasikara. Tsara kokoa ny fepetra ho an’ny fambolem-bary, indrindra tany amin’ireo faritra tena mpamokatra tamin’ny faritra afovoan-tany. Na izany aza, mitoetra ny haintany any Atsimo izay ny katsaka no tena ambolena any. Na izany aza, azo lazaina ho mbola marefo amin’ny Fanjarian-tsakafo i Madagasikara raha tarafina amin’io mbola filana tohana ara-tsakafo avy any ivelany, ary na misy aza ny hovidiana dia tsy manam-bola satria Malagasy 24 tapitrisa na 75,2% amin’ny mponina no miaina latsaky ny 4000Ar isan’andro, raha ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena. Ambara fa tantsaha ny 80% amin’ny Malagasy, saingy mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo isika satria natao ambanin-javatra kokoa ny politika ara-pamokarana sy ara-pambolena, tsy tena ampy ny vola alefa any amin’io sehatra mitaha ny zavatra hafa heverina ho tsy tena laharam-pahamehana kanefa hanatontonana sy hitrosana vola tsy toko tsy forohana toy ny kianja, teleferika, tanamasoandro, monument,… Mbola nofinofy ilay famaritana nataon’ny Amiraly tany amin’ny 30 na 40 taona lasa hoe : ny firenena mandroso amin’ny taona 2000 dia ireo afaka mamokatra sy manana ambim-bava haondrana. Hatreto, mbola ny fanafarana mandany vola no mibahan-toerana, ny làlana sy fotodrafitrasa ato anatiny tapitra potika izay vao mainka manahirana amin’ny fampidirana sy famoahana ny vokatra ato anatiny ka mampiakatra ny vidin’entana,… Izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
MBOLA HARARAOTINA HOVIDIANA AMIN’NY KOVETA VE NY MALAGASY ?
Manamafy ny fanasokajiana momba ny hanohanana na GHI (Indice Mondiale de la Faim) navoakan’ny WHH na « welthungerhilfe » ny novambra 2023 io, izay namoaka fa faha-124 amin’ny firenena 125 i Madagasikara, raha toa ka faha-119 ho an’ny taona 2022. Manaporofo fa tena mahantra sy fadiranovana ara-tsakafo ny Malagasy, izay tena iaraha-mahita io, fa tsy finiavana hitsikera sy hitanisa zavatra ratsy. Tena hoe : ny Firenena ve no tsy azo hampandrosoana sa ny fahaiza-mitantana no tsy ampy na tsy misy ? Ho tahaka izao ve ny firenena raha tena ampianarina ny Malagasy sy fehezina ary atao tsara tantana ho fanoitra ny fahantrana ny harem-pirenena ? Mbola ny filalaovana vahoaka sy fanararaotana azy amin’ny fahantrana ka hividianana azy mivantana na ankolaka amin’ny sô sy koveta na sakafo kely tsy mahavita taona rehefa propagandy sy fifidianana ve no vahaolana sa ny fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana sy ny fametrahana politika mahomby hitantanana ny firenena ?
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap