airtel

Politique

15-oct-2026

VMFR

Hafaingano ny dinika politika

Sample post image

Hafaingano ny dinika politika

15-oct-2026

hoy ny VMFR na ny Vovonana Miaro ny Fanovana Miatrika ny Repoblika Vaovao tarihin’ny mpandrindra nasionaliny Randrianirina Jean Ignace. Io no tena maika hoy izy hahafahana mitady vahaolana mikasika ny toe-draharaha lalovan’ny firenena ankehitriny fa tsy ady seza. Dinika teny hierana vao fahefana. Tsy mitady seza noho izany izy ireo hany ka tsy mahamaika azy ny hanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta na ny remaniement izay efa tena malazabe ankehitriny. Tsiahivina moa fa anisan’ny mampiavaka ity vovonana ity ny fampivondronana ireo mpanao politika. Tafiditra ao anatin’izany ny hamerenana indray ny hasin’izy ireo sy ny Firenena. Ny hidirana amin’ny fanovana sy ny fitondrana vaovao no tanjona hoy Rakotomavo Jose, filoha nasionalin’ny VMFR. Nivavaka ho an’ny Firenena tetsy Mahamasina izy ireo omaly noho ny fahatongavan’ny datin’ny 14 Oktobra izay fahatsiarovana ny nivoahan’i Madagasikara tao anatin’ny vanim-potoanan’ny Fanjanahantany. Toraka izany koa ny nandraisan’ny Filohan’ ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael ny fahefana tamin’ny taon-dasa ka naharava tanteraka ny fitondran-dRajoelina sy ny forongony.
Pati
Legende : Marobe toy izao ireo mpanao politika nanotrona ny VMFR omaly !
 

Dans la même rubrique

15-oct-2026

karazana fanambarana politika

Card image cap
15-oct-2026

miandry ny firenena"

Card image cap
15-oct-2026

Tontosa tao Antsohihy ny lanonana

Card image cap
14-oct-2026

fa tsy mbola tena mahaleotena

Card image cap