airtel

Politique

20-mars-2024

Voahangy Raharimanarivo

«Tsy mendrika antsika izao fitondrana izao!»

Sample post image

Efa anatin’ny fiomanana hiroso amin’ny fifidianana daholo ankehitriny ny rehetra,

20-mars-2024

hoy ny kandida ho depiote atolotry ny vondrona Firaisankina ao Atsimondrano, Voahangy Raharimanarivo. Izahay koa, hoy izy, dia vonona. Ny atao moa izao dia ny mampirisika ny olona amin’izao faramparany izao indrindra sao sendra efa voasoratra anaty lisi-pifidianana nefa izao tsy ao indray? Mampirisika ny olona hijery ny anarany any anaty lisi-pifidianana any. Tsy ho tia anao 100% ny olona fa ny faniriana dia hoe ho tia ny tsy tia. Ny tia moa efa tia rahateo. Ny olona any aoriana no manenjika. Izay no tsy hamaliako ireo fanaratsiana. Ny asa no ataoko. Misy rafitra mifehy ny antoko politika Tiako i Madagasikara, izay nisy ahy hatramin’izay. Ny nangina aho akory fa nitolona. Nanaraka ny hetsika fotsy hatramin’ny nisian’ny hetsika fotsy teo aho ary niteny foana tamin’ny resaka politika. Maro ireo olona niteny hoe miverena ianao ramatoa depiote fa tsy mety ity. Mila olona toa anao efa manana traikefa, afaka manao ady na «combat» satria efa hitan’ny olona ny ady nataoko tamin’ireny 73 depiote ireny. Ady miandry izao ny hoe tsy mora ny hahazoana ny maro an’isa. Mila miady. Mila miady mafy mba hahazoana ny poa-droa aty Atsimondrano. Rehefa tonga eny amin’ny antenimiera avy eo dia mila miady hahafahana manala ny tsy mety rehetra eto amin’ny fitondrana, ny olona rehetra manao kolikoly mba hahafahana mandresy ny fahantrana. Mety ve izao fiainantsika izao? Mila esorina ny olona tsy mahomby. Manao antsoavo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Tiako i Madagasikara na TIM aho mba hiverina ato am-bala fa tsy isika indray no hoe hifanaratsy na hifanaritaka. Jereo ilay tanjona iombonana dia ny ahazahoantsika ny fandresena! Manao antsoavo ny Firaisankina mba hahazoantsika ny poa-droa. Ao ireo «Majorité silencieuse» na hoe be tsy miteny. Mba efao ny adidy rehefa tonga ny fotoana! Tsy mendrika antsika izao fitondrana izao! Mila manova isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap