Sady mpifanandrina politika no mpifamelona politika satria manome vahana ny andaniny ny ankilany ary tsy eo ny iray dia mihalefy ny andaniny ? Tsy nahazo ny « certificat de régularité fiscale » na ny 211 Bis i Marc Ravalomanana, saingy nilaza fa tsy hanaiky hatramin’ny farany. « Tsy hamela irery izao zava-mitranga izao anefa isika fa hiady hatramin’ny farany satria zon’ny olompirenena iray ny mitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna misy azy ka tsy misy tokony hanakanana izany finiavana izany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. », hoy io Filoha teo aloha io. Nametraka fangatahana tamin’ny Ivon-toerana momba hetra, tsy nivaly kanefa telo andro no nomen’ny OVEC, saingy tsy azo. Feno tsara ny dosien’ireo mpanolontsaina monisipaly, fa ny an’i Marc Ravalomanana no tsy feno noho ilay « 211 bis » tokony ho nomen’ny Sampan-draharahan’ny hetra, raha ny fanazavana nentin’Atoa Julien Andriamorasata ao anatin’ny Birao Politikan’ny TIM hita tamin’ny haino aman-jery ny sabotsy teo. Mbola nanana 48 ora indray tany amin’ny CENI, nangataka ny CENI hamaha izany satria io rafitra io no manana ny fahefana farany, araka ny andininy faha-12 amin’ny didim-panjakana 2024-1485 tamin’ny 8 aogositra lasa teo, ka nandefa taratasy tany amin’ny CENI izy ireo. Matoa nahazo ny 211 bis tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena dia ara-dalàna tsara ny 3 taona farany no takiana, ka ny 2024 izany sisa fenoina, hoy ny fanazavany. Anio izany no andrasana izay setriny avy amin’ny CENI, ary tsy tafavoaka eo dia any amin’ny Filankevi-panjakana indray. Raha ny zava-misy, miha mangotraka ny fanakanana ity Filoha teo aloha ity ka asa na ho tafiditra kandida ihany na tsia ? Raha tsy tafavoaka hatramin’ny farany, hanao ahoana ny mety ho fihetsiny sy ny mpikambana TIM ? Hanolotra kandida hafa na hanohana hafa mety mitovitovy tadin-dokanga amin’ny fanoherana ve? Hidrikina hatramin’ny farany sy hidina an-dalambe ? Isan’ny nambaran’i Marc Ravalomanana rahateo ny hoe : « mahatoky sy manantena ny Mponin’Iarivo aho fa hiasa miaraka isika ary ho an’ny tanànantsika no mahatonga antsika hijoro hatramin’ny farany ». Hatraiza ilay farany resahana eto ? Andrasana izay sary hitranga ato anatin’ny 3 andro ary mbola mampametra-panontaniana hoe : sao dia paikady politika hoenti-mamboly rotaka hanemorana ny fifidianana izao ?
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy