airtel

Politique

06-juin-2024

Voka-pifidianana maro kasaina hatsimbadika

Tsy manaiky ho resy na efa aloam-bahoaka aza…

Sample post image

Toy ny tsy fanekena ho diso teo amin’ny tantara niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009 nitohy

06-juin-2024

tamin’ireo fitantanana tsy manjary samihafa sy ny setrasetra politika ihany no lalan-tsaina entin’ny olon’ny fitondrana sasany maneho ny tsy fahazakana resy amin’izao fifidianana izao. Zary lasa mampihomehy ny maheno kandidam-panjakana sahy milaza sy mivoy fa nangala-bato, nanao hosoka tamin’ny bileta efa voamarika mialoha na « bulletins pré-cochés », nizara zavatra, nanao herisetra, tsy namela ny olon’ny kandidam-panjakana hifidy,… ny kandida avy amin’ny fanoherana. Fitondrana mpisetrasetra lava io ve hanaiky lembenana raha tena nisy tokoa ny tranga tahaka izany ? Tsy hanaiky velively fa tofoka sy leo ny vahoaka ka na efa mandeha aza ny fampiasana vola tsy toko tsy forohana, setrasetra politika, fanoloana sefom-pokontany, fanerena ny mpampianatra hanohana kandidam-panjakana,… dia betsaka ny toerana no resy na tsy lohalaharana ny kandidam-panjakana. Anisan’izany ny fiampangana ny kandidan’ny fanoherana ao amin’ny Boriborintany faha-5 rehefa tsy mitarika ny kandidam-panjakana izay nizahozaho sy nihogahoga fa tsy maintsy poa-droa, ka lazaina fa nangala-bato sy nanao herisetra ny mpifanandrina izay mitarika vonjimaika. Hitam-poko hitam-pirenena anefa ny setrasetra samihafa nataon’ny volomboasary. "Nivadika marina ny glôby. Izaho sy Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona indray ity no lasa mangala-bato sy manapaka jiro ary midaroka.", hoy i Guy Rivo Randrianarisoa lisitra faharoan’ny Firaisankina tao amin’ny Boriborintany faha-5 omaly. Ny any Faratsiho moa, dia miantehitra mafy ny HCC hanatsimbadika ny voka-pifidianana kanefa ny SRMV izay rafitra ara-dalàna miantsoroka no namoaka tao anatin’ny vokatra feno nokirakirainy fa mitarika amin’ny salan’isa 45,29% amin’ny alalan’ny vato 22897 ny kandida Nomenjanahary Ramilison na Mily, raha toa ka 40,64% amin’ny alalan’ny vato 20646 kosa ny kandida Lalatiana Rakondrazafy, izany hoe : 2251 be izao ny elanelam-bato. Ny etsy Antanifotsy, ampangain’ny nataony ny Fitondrana izay nieritreritra fa tamin’ny alalan’ny fanambazana motos ireo ben’ny tanàna no hahazoana fandresena, kinanjo nitsefotra, ka dia raikitra ny fanatsoahana an’ireo motos tany amin’ny ankamaroan’ireo ben’ny tanàna. Betsaka amin’ireo faritra sy distrika mety haharesy ny kandidam-panjakana no ahiana hitsimbadika, indrindra fa kely ny elanelan’isa. Betsaka ohatra no tsy mahatoky ny vokatra any Morondava izay nitarihan’ny lisitry ny kandidan’ny Firaisankina Itompokolahy Mamy Claver Meryson, saingy mitsimbadika any amin’ny Minisitra teo aloha Atoa Haja Resampa ka misy amin’ireo olom-pirenena no tsy mahatoky sy miantso hoe : avoahy ny birao fandatsaham-bato nahazoanareo an’io vokatra io. Ny etsy Ambatolampy dia kely ny elanelana, ary betsaka ny manahy fa atao izay handresen’ny Minisitry ny Atitany teo aloha Atoa Tianarivelo Razafimahefa,…
TSOTSOFINA HO LAHARANA FAHA-2
Betsaka ireo tsotsofina vao tafiditra laharana faharoa na ahiana hoterena ho laharana faharoa any amin’ireo distrika misy toerana roa, toy ny ao Antsiranana I, Mahajanga I, Antananarivo II, Antananarivo III, Antananarivo VI, Amparafaravola,… Efa kapoka mivaivay ho an’ny Fanjakana sy ny Filoham-pirenena tenany mihitsy, ohatra, ny tranga ao Antanimora Sud, izay Atoa Andry Rajoelina mihitsy no tonga nanao propagandy ankolaka hoe : mila olona efa za-draharaha, mila olona mahay miresaka sy miara-miasa amiko hisolo vava anareo, mbola tianareo ve ny hiverenako aty, kinanjo nofaizin’ny vahoaka ny kandidam-panjakana, any amin’ny laharana fahatelo, ary tena tataka ny elenelam-bato,…
Toky R
Légende : Ny HCC no antsoantsoina sy andrandrain’ny kandidam-panjakana ratsy toerana sasany hanavotra sy hanao fahagagana hipasoka ny daomy
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap