airtel

Politique

03-juin-2024

Voka-pifidianana

Tsy ny olon-drehetra no afaka milalao an’io

Sample post image

Tsy resaka hoe manisa sy manao kajy tsotsotra ny fikirakirana ny voka-pifidianana fa zavatra anisan’ny sarotra.

03-juin-2024

Ny hoe milalao voka-pifidianana dia manamboatra, manova ny tarehimarika ka tsy izay mifanandrify amin’ny tena safidim-bahoaka no mipoitra fa araka izay tiana avoaka.
VOLA , FITAOVANA, FAHEFANA
Mila olona, teknisiana, fitaovana matanjaka, tambazotra, vola, fahefana izany. Io farany io no tena zava-dehibe, ilay fahefana satria io no mahavita manetsika olona , fitaovana, vola maro be ao anatina fotoana faran’ny haingana. Ny manana fahaizana amam-pahalalana, tsy mahatody lavitra rehefa tsy ampy olona sy fitoavana ary vola. Tsy tokony hifanabado noho izany ary indrindra tsy tokony hamita-bahoaka fa raha tena tany tan-dalàna marina , vantany vao misy ny ahiahy na siosion-dresaka hoe fikitihana na fanovana ny fitanana an-tsoratry ny voka-pifidianana dia alefa ny fanadihadiana. Eny anivon’ny biraom-pifidianana, ny SRMV distrika ary ao amin’ny CENI foibe.Diia mba aseho marina ilay maha vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny CENI. Moa ve tena mahaleotena marina amin’ny fanadihadiana ataony ity rafitra ity ka hampipoitra ny tena marina sa mahazo tsindry any ho any ka manaboribory resaka fotsiny tsy te ho ratsy eo imason’ny rehetra.Ekena fa mety tsy voatery ho mitombina 100% ireo fitarainana fanodikondinana safidim-bahoaka ataon’ny olom-pirenena ao amin’ny facebook sy any anatin’ireny fanehoan-kevitra mivantana amin’ny onjam-peo ireny ; fa kosa afaka manadihady lalina kokoa ny CENI. Mandrafitra ny tatitra tovanana porofo an-taratasy avy eo dia ampitaina any amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ; izay tompon’ny fanapahana farany amin’ny resaka fifanolanana momba ny fifidianana.
MIOMANA TSARA
Rehefa tanteraka izany rehetra izany vao mety haharesy lahatra ilay voambolana hoe fifidianana madio sy mangarahara. Fa ny tena tsara sy matotra indrindra aloha dia ny fanomanana tsara araka ny lalàna sy ireo fepetra isan-karazany hiatrehana fifidianana demokratika mampiseho marina ny tena safidim-bahoaka. Fampitovian-jo ny kandida amin’ny hery ampiasaina sy ny eo anatrehan’ny lalàna.Tsy fiandanian’ny fanjakana.
RTT
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap