airtel

Politique

26-oct-2026

VOVONANA ATF

Tafapetraka ny

Sample post image

mpandrindra rezionaly any amin’ny Faritra Melaky

26-oct-2026

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny mpandrindra rezionalin’ny Vovonana ATF na ny Antenimieran’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana tarihin’ny Dr. Rapihariniaina Didier Donatien sy Atoa Victorien Maharesa Nomendraza any amin’ny distrikan’i Maintirano. Ny filoha Nasionalin’ny ATF Rtoa Aina Ankina no nametraka azy ireo tamin’izany toerana mitaky andraikitra goavana izany. Izy ireo no hanabe voa sy hampiroborobo ity vovonana miaraka amin’ny fitondrana Fanavaozana ity manomboka izao any amin’ny Faritra Melaky.Tonga nanotrona izany ny lehiben’ny Faritr’i Melaky, ireo Ben’ny tanàna ao an-toerana.... Ny mpiara-dia amin’ny mpanorina ny vovonana ATF ary ireo mpikambana rehetra tonga any an-toerana. Tsiahivina moa fa niainga tao amin’ny distrikan’i Morafenobe ny fidinana ifotony, nitohy tao Maintirano, ary mbola handeha hihazo ny distrikan’Antsalova sy Besalampy indray. Tanjon’ny Vovonana ATF ny hanohana ny Fitondrana Fanavaozana amin’ny asa hiantsorohany hahavitana ny fikaonandoham-pirenena hahafahana miroso any amin’ny fifidianana tena izy sy eken’ny rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ireo olana ara-tsosialy hiainan’ny mponina eny anivon’ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Nandritra ireo mpikambana eo anivon’ny ATF tany amin’ny distrikan’i Maintirano !
 

Dans la même rubrique

26-oct-2026

hampihena ny tanjaky ny Dolara…»

Card image cap
26-oct-2026

Hamafisina ny toeran'ny

Card image cap
23-oct-2026

Mila manompo fokonolona fa

Card image cap
23-oct-2026

hatramin’izay ka miodinkodina eto isika»

Card image cap