ankehitriny, nitsangana sy nanao fanambarana ny VMFR na Vovonana Miaro ny Fanovana Miatrika ny Repoblika, izay nilaza fa vovonana ara-dalana ahitana antoko politika sy fikambanana maro. Filoha mitarika an'io i José Rakotomavo, ary mpandrindra ny vovonana Randrianirina Jean Ignace. Isan'ny mandrafitra an'io ny MFM, Vondrona Panorama, HVM, HPM, Vonjy Iray Tsy Mivaky, Rassemblement des Partisans de Ratsirakisme,... Nanentana ny antoko politika, ny vondrona ara-tsosialy ary ny fiarahamonim-pirenena hiara-hidinika ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana faobe ny VMFR, izay nanambara fa saro-piaro amin’ireo fitakiana sy tolona nataon’ny vahoaka izay nitondra fanovana teo amin’ny fitondrana. "Na dia misy aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny, dia mbola hita fa tsy ampy ny fitoniana eo amin’ny fiarahamonina, indrindra amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-politika", hoy ity vovonana ity. Noho izany, manizingizina ity vovonana ity fa ilaina ny fifampiresahana lalina sy ny fanapahan-kevitra hentitra hifanarahan’ny be sy ny maro, mba hisorohana ny krizy miverimberina. Tsy lavina, hoy ny VMFR, fa ny Kolonely Mickael Randrianirina no mitondra sy mitarika ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, saingy laharam-pahamehana ny hisian’ny fitoniana faobe mifototra amin’ny dinika politika, miankina amin’ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny fanavaozana ny Repoblika vaovao. Manolo-kevitra ny fametrahana Dinabem-pirenena (accord politique) eken’ny rehetra, ho fototra hanavaozana sy hitantanana ny fitondram-panjakana mitondra mankany amin’ny Repoblika vaovao. Tsy maintsy atao ihany koa ny fanadiovana ny tontolo politika sy ny tontolon’ny fifidianana, ho famerenana ny fitokisan’ny vahoaka izay very noho ny fanapahan-kevitra maimaika sy tsy nandraisana anjara. Ny vokatra andrasana amin’ity dinika ity dia ny fitsaharan’ny fifandranitana sy ny serasera mifampitsitsy, ary ny fandriampahalemana azo tsapain-tanana eo amin’ny fiarahamonina, asehon’ny fandraisana andraikitra marolafy eo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra samihafa. Ny fanatanterahana ny dinika, hoy ny VMFR, dia hatao amin’ny endrika dinika samy Malagasy, tsy misy tsindry avy any ivelany. Ny VMFR no ho sehatra hanamora ny fampihaonana sy ny fifampidinihana hahatratrarana ny tanjona. Antso mivantana no natao ho an’ireo solotenan’ny antoko politika, vondrona politika, vovonana politika ary ny fiarahamonim-pirenena hiara-hidinika ho amin’ny fitoniana faobe eto Madagasikara. Ny sehatra ifantohan’ny dinika dia ny tombontsoa ambonin’ny Firenena Malagasy, ny paikady entina mametraka ny fandriampahalemana sy ny fitoniana, ary ny sori-dalana ho tanterahan’ny governemanta mahakasika ny lafiny toekarena sy sosialy miaro ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena.Araka ny fanambarana, ampahafantarina avy hatrany ny vahoaka, ary ny Filohan’ny Fanavaozana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana azy ny fehin-kevitra tapaka. Nanipika moa i José Rakotomavo fa herintaona lasa dia nisy zavatra tsy nilamina eto ka tokony halamina, kanefa tsy nihaino ny ankilany, dia ireny no niafarany. Ankehitriny, mamofompofona zavatra hafa ka mila halamina ny Firenena mialohan'ny fifidianana. Nilaza izy ireo raha nanontaniana mikasika ny filazana fa mila tetezamita eken'ny rehetra hoe mitady fiaraha-mitantana, dia tsy dia izay loatra fa ilaina ny fifampiresahana politika hisian'ny fitoniana, fa rehefa tonga ao hita ao ihany ny tokony hatao, ka raha izay no hiafarany maninona moa? hoy i José Rakotomavo.
Toky R