ny faritra tsirairay avy »
Efa Kandida filoham-pirenena ny taona 2018 Atoa ZAFIVAO Jean Louis , resy lahatra izy fa ny rafitra rezionaly no tena hampandroso ny isam-paritra sy hampandroso an’i Madagasikara Mandinika ny lasa isika izay vao mijery ny ho avy , hoy izy ka mila tsaroana fa ny taona 1973 nandritra ny governemanta notarihin’ny jeneraly Ramanantsoa, no nanafoanana ny « budget provincial » ka teo no nanomboka ny « centralisation ». 52 taona izany tsy ara-dalàna ny fitantanana ny firenena Malagasy satria nivangongo tao amin’ny fitondrana foibe ny vola sy ny fahefana, voaporofo amin’ny antontan’isa fa firenena mahantra indrindra maneran-tany efa ho 26 taona izaoi Madagasikara .
HETRA SY HABA
Nampatsiahy i Zafivao Jean Louis fa ny 98% n’ny vola miditra amin’ny faritra dia lasa any amin’ny fanjakana foibe avokoa. Zara raha misy 2% izany am-pelatanan’ny faritra , izany ve dia ampy hampandrosoana faritra hoy ny fanontaniana napetrany ? Tsy sartra anefa ny kajy hoy izy fa hoe omena ny faritra ny 80% n’ny haba sy hetra ao aminy miampy ny 40% n’ireo harena strateijka sy aherana an-kibon’ny tany trandrahana ao aminy. An’ny fanjakana foibe madiodio ny 100% n’ny haban-tseranana.Apetraka hoy i Zafivao Jean Louis ny tahiry iombonana hanampiana izay faritra sahirana na tratra aoriana. Tsy tokony hisy hampanahy fa apetraka tsara ny fandaminana hoe mijanona ho fahefan’ny fanjakana foibe ny Fiarovam-pirenena, diplaomasia sy fifandraisana amin’ny any ivelany, ny fitantanam-bola ary ny fitsarana sy fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna. Efa ela ny banky iraisam-pirenena ,hoy i Zafivao Jean Louis no mitaky ny ampiharana any fitsinjarana ara-pitantanana sy ara-bola tamin’ny tatitra nataony momba an’i Madagasikara. Fa ny minisitera, ny fanjakana mihitsy no tsy manao ilay izy. Tsotra be ilay resaka : ny vola miditra amin’ny faritra dia ampiasaina hampandrosoana ny faritra.
MPANAO LALÀNA FA TSY MPITANTAM-BOLA NY DEPIOTE
Ny tsapa hoy hatrany izy nanohy ny fanazavany dia tsy tiana ho zaraina amin’ny olomboafidy any amin’ny faritra ilay fahefana ara-bola ; ireo olona any amin’ny faritra ihany anefa no tena mahalala ny olana any aminy. 95% n’ny tetibolam-panjakana dia fihininon’ny fanjakana foibe hatramin’izay ka inona moa, hoy izy no fampandrosoana antenaina amin’izany. Fa etsy ankilan’izay nisintona lakolosy momba ilay tohana ara-bola omena ny distrika ihany koa i Zafivao Jean Louis ka hoy ny teniny : ireo solombavambahoaka dia omena ny CIAD, ahoana moa izany hoe olona mpanao lalàna indray no omena teti-bola tokony ho an’ny fahefana mpanatanteraka ? Corruption passive izany. Tsy fitakiana ilay fitsinjarana ilay fahefana ara-bola sy ara-pitantanana no maha maika fa izay ahazoana ny CIAD. » Mitaky ny hampiharana ny lalàna voasoratra ary manara-maso izany no asan’ny depiote, hoy izy ary tokony hitsinjara fahefana ny fanjakana foibe, ka raha tsy tanteraka ilay izy nahoana no tsy miteny ireo depiote ? Tsy misy hoe asa be na fanoavana goavana mampatahotra ny firosoana amin’ny rafitra rezionaly raha ny hevitr’i Zafivao Jean Louis fa dia ireo fitaleavam-paritra ny minisitera efa misy ireo ihany no zaraina amina minisitera 5 na 7 apetraka ao amin’ilay faritra . Ireo no hitantana ny fampandrosoana ilay faritra. Ohatra iray ihany izany hoy izy fa mbola azo atao tsara ny mifampidinika fa ny tanjoana dia tokana : rehefa mandroso isam-paritra, mandrso ho azy ny firenena.
Nangonin’i RTT