airtel

Politique

30-mai-2025

Zanaka Filoha ampidirina amin’ny raharaham-panjakana

Mitaky mangaraharaha ny depioten’ny fanoherana…

Sample post image

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

30-mai-2025

fifanaovana vava momba ny tetikasa Base Toliara,… nandefa taratasy misokatra miantefa mivantana amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko, izay sady Filoha lefitra faha-7 avy amin’ny fanoherana ao amin’ny Antenimierampirenena. Notsikafonin’ity depiote avy amin’ny fanoherana tao anatin’io fanehoan-kevitra ofisialy io ny fihetsiky ny Filoham-pirenena momba ny fisian’ny fianakaviany, indrindra ny zanany, amin’ireo lanonam-panjakana sy fivoriana iraisam-pirenena ataon’ny Fanjakana Malagasy. Notsindriana fa mila atao ao anatin’ny mangarahara sy fanajana ny Lalampanorenana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. “Tsy tokony hanaovana tompon-trano mihono ny Vahoaka Malagasy ny fitantanana ny firene. Fandikana ny andininy faha-42 ao amin’ny Lalampanorenana ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanomezana tombontsoa manokana ny fianakaviana sy ny namana”. I Andry Rajoelina izay nilaza tany aloha fa nampianarina ny zanany, ka mandray andraikitra sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Nametraka fanontaniana mivantana mivantana amin’i Andry Rajoelina kosa io Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena io hoe : Manana andraikitra ara-panjakana ve ny zanak’Andriamatoa Andry Rajoelina? Raha eny, inona avy ireo andraikitra sahaniny sy aiza no ahitana ny fanendrena ara-dalàna mifanaraka amin’izany? Raha tsia, nahoana no mipoitra matetika amin’ny lanonam-panjakana sy fivoriana iraisam-pirenena ny fianakaviany, na eto an-toerana na any ivelany? Iza no miantoka ny fandaniana amin’ireny fanatrehan’izy ireo ireny, indrindra amin’ireo fivoriana ataon’ny Filoham-pirenena amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy any ivelany? Tokony hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny fanazavan’ny Fiadidiana ny Repoblika, amin’ny anaran’ny mangarahara sy fanajana ny lalàna, manan-jo hahalala vaovao ny olompirenena tsirairay araka ny andininy faha-11 ao amin’ny Lalampanorenana, ary voasoritra mazava ihany koa fa ny Vahoaka no tompon’ny Fahefana rehetra, araka ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenana, hoy ity taratasy ity. Namafisina ny hoe : “Izay rehetra manam-pahefana dia tsy tokony hampifangaro ny raharaham-pianakaviana sy ny andraikitra ara-panjakana”. Tsy resaka fitanilana amin’ny andaniny, fa tsiahivina kosa hoe anisan’ny nanakianana mafy sy nanonganana an’i Marc Ravalomanana, nanenjehana ny Fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ny ahiahy tamin’ny filazana fa mifampiditra ny orinasa sy ny raharaham-panjakana, mifampitsabaka ny resa-pianakaviana sy ny fitantanana Firenena,… Io aharihary tsy misy tahotra io anefa ny an’Atoa Andry Rajoelina satria mety matoky tena, matoky ny fahefana, matoky vola,… na mety misy endrika fandikan-dalàna aza. Ho tonga hatraiza ihany koa anefa ny fanoherana manoloana ireny ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap