airtel

Politique

31-août-2026

Zaza Ramandimbiarison

"Aza afangaro ny fampihavanana

Sample post image

sy fanafenana ny marina!"

31-août-2026

Aoka mba hataontsika mazava tsara aloha ity fitenenana miverimberina ity hoe “Tsy misy fanarenana raha tsy misy fahamarinana sy rariny, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison.” Misy olona milaza amin’izao fa “Tsy hisy ny fanorenana vaovao raha tsy misy ny fampihavanana sy ny fampitoniana.” Marina fa ilaina ny fandriampahalemana. Ilaina koa ny fampihavanana. Tsy misy olona te hahita fifandirana sy korontana mitohy eto amin’ny firenena saingy mila mametraka fanontaniana mazava isika hoe fampihavanana inona no resahina? Iza no hampihavana amin’iza? Inona no tokony ho fototry ny fampihavanana? Raha fampihavanana eo amin’ny vahoaka no resahina dia zavatra tsara izany. Raha fampihavanana eo amin’ireo mpanao politika izay efa nanao ratsy tamin’ny fanjakàna na olona mbola ahiahiana amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka, fanararaotam-pahefana, na raharaha momba ny harena voajanahary ka ny tanjona dia ny tsy hiresahana intsony ireo raharaha ireo dia mila mitandrina isika. Tsy fampihavanana izany. Fanafenana ny marina izany. Tsy tokony hatao hoe “fampitoniana” ny fampanginana ny vahoaka. Misy olona miteny hoe “Aoka izay ny ady. Aoka izay ny firesahana ny lasa. Mila mijery ny ho avy isika.” Eny, mila mijery ny ho avy isika. Tsy midika izany hoe tokony hohadinointsika ny lasa. Raha misy volam-bahoaka very, mila fantarina hoe aiza no nalehany? Raha misy fanodinkondinana volam-panjakàna, mila fantarina ny marina. Raha misy harena voajanahary nalaina na nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-drariny, mila hazavaina izany. Raha misy olona nampiasa ny fahefam-panjakàna ho tombontsoany manokana, mila jerena ihany koa izany. Tsy fankahalana olona izany fa Adidy amin’ny firenena. Tsy tokony hohadinointsika fa ny vola an’ny fanjakana dia volan’ny vahoaka. Ny harena voajanahary dia harenan’ny firenena fa tsy fananan’olona vitsivitsy. Tsy tokony hisy olona ambonin’ny lalàna. Tena tsotra ny zavatra takiana. Tokony hitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra. Raha olon-tsotra no ahiahiana amin’ny halatra na fanodinkodinana dia anaovana fanadihadiana. Raha olona manana fahefàna no ahiahiana dia tokony hohadihadiana ihany koa. Raha mpanao politika no voatonona amin’ny raharaha iray, tsy tokony hiaro azy ny toerana misy azy. Tsy midika izany hoe tokony hotsaraina mialoha ny olona iray. Ny fitsaràna no tokony hametraka ny marina. Ny tsy azo ekena dia ny hoe rehefa olona nanana na manana fahefàna no voakasika dia lazaina hoe “Aoka izay, aza asiana resaka intsony! Mila fampihavanana isika!” fa rehefa olon-tsotra kosa no voakasika, dia mandeha ny lalàna. Izany ve no atao hoe fanjakàna tan-dalàna? Tsy fanovàna olona fotsiny no atao hoe fanorenana vaovao raha tena “fanorenana vaovao” no tadiavintsika, tsy ampy ny manova olona eo amin’ny fitondrana. Tsy ampy koa ny manao kabary vaovao. Tsy ampy ny mamorona rafitra vaovao. Ny tena fanorenana vaovao dia rehefa miova ny fomba fitondràna ny firenena. Tsy maintsy misy mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka, ady tena izy amin’ny kolikoly, fitsaràna afaka miasa tsy misy tsindry, fanaraha-maso hentitra ny volam-panjakana, fiarovana ny harena voajanahary ary indrindra, andraikitra sy sazy rehefa misy heloka voaporofo. Raha olona vaovao ihany no apetraka, nefa mbola mitovy ny fomba fanao, dia tsy fanorenana vaovao izany. Fiovan’olona fotsiny no nitranga. Mijery ny tanora. Mijery izy ireo hoe ahoana no fomba itondrana ny firenena?Raha hitan’ny tanora fa izay manana fahefàna dia afaka manao izay tiany ary rehefa misy olana dia miafina ao ambadiky ny teny hoe “fampihavanana”, inona no lesona raisiny? Mety hino izy ireo fa tsy ilaina ny fahitsiana. Mety hino izy ireo fa ny fahefàna no miaro olona fa tsy ny lalàna. Izany no tena mampidi-doza ho an’ny hoavin’ny firenena. Ekena ny fampihavanana eny fa tsy ny famelàna ny tsy rariny. Tsy manohitra ny fampihavanana isika. Tsy manohitra ny fihavanana isika. Tsy manohitra ny fandriampahalemana isika fa mila fantarina tsara ny dikan’ireo teny ireo. Ny fampihavanana tsy midika hoe mamafa ny marina. Ny famelan-keloka tsy midika hoe tsy misy intsony ny andraikitra. Ny fandriampahalemana tsy midika hoe hampanginina ny vahoaka. Ny Fanorenana Vaovao tsy afaka mijoro eo ambonin’ny tsy fahamarinana sy ny tsimatimanota. Tsy ny mpanao politika ihany no tokony hifampihavana. Ny tena tokony haverina hino ny fanjakàna dia ny vahoaka. Vahoaka izay reraky ny fampanantenana, te hahafantatra izay mitranga amin’ny volany, te hahita ny harena voajanahary ampiasaina ho an’ny tombontsoan’ny firenena. Vahoaka te hahita fa mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny olon-tsotra sy ny manam-pahefana. Izany no tena fampihavanana ilaintsika. Aza afangaro ny fampihavanana sy ny fanafenana ny marina. Aza afangaro ny fandriampahalemana sy ny fampanginana ny vahoaka. Aza afangaro ny famindram-po sy ny tsimatimanota, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Nitohy omaly tolakandro teny

Card image cap
03-sept-2026

Hajaina ny fe-potoaka,

Card image cap
03-sept-2026

Ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Grosgurin

Card image cap
02-sept-2026

Mila havahana tsara mba tsy ho lasa fialokalofana…

Card image cap
02-sept-2026

Madagasikara dia fifidianana tsy tena izy»

Card image cap
02-sept-2026

Hangonina manomboka anio

Card image cap