airtel

Sosialy

04-mars-2024

Afera maloto tao amin'ny JIRAMA

Fividianana Gropy ho an'Ambovombe sy Manja no nanodinana vola

Sample post image

Fanodinkodinana volam-panjakana, fanaparam-pahefana, fanaovana hosoka,

04-mars-2024

firaisana tsikombakomba, ireo no vesatra nanenjehana ireo voarohirohy miisa 15 avy ao amin'ny orinasa Jirama, ary nanao ny fanadihadiana ny birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na Bianco.Nalefa eny amin'ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly avy eo ny raharaha ka nandeha ny fihainoana sy fakana am-bavany ireo voarohirohy.Nilatsaka ny didy afaka ora maromaro ka olona 3 nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, dia ny mpandrindra rezionalin'ny Jirama, mpikambana iray ao amin'ny filan-kevim-pitantanana ary olona iray avy amina orinasa mpamatsy ny jirama. Fividianana milina mpamokatra herinaratra ho an'ny distrikan'Ambovombe sy Manja no nitrangan'ny afera maloto. Efa nirafidrafitra ny paik'ady maloto : misy tompon'andraikitra mamoaka ny fangatahana vidin'entana, misy olona avy amina orinasa aty ivelany mamaly izany. Misy tompon'andraikitra iray avy eo manome alalana ny amin'ny hamoahana ny vola sy ividianana ireo fitaovana. Tsy vitan'izay fa mbola atao ambony kokoa ny vidiny mba hahazoana tombony. Mivoaka avy ao amin'ny jirama mankany amin'ilay orinasa avy eo ny taratasim-bola dia tahaka izay hatrany ny fomba fiasa. Tra-tehaka izany aloha ny tamin'ity indray mitoraka ity, ary ny tena henjana dia olona milaza azy hatramin'izay fa miaro ny mpanjifa no mpiray tsikombakomba amina afera maloto mamotika ny orimasam-panjakana tahaka izao.
Nangonin'i RTT

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap