airtel

Sosialy

25-janv-2023

Sosialy

Ambilanibe Anosibe Vehivavy bevohoka iray nianjera ka naratra noho ny lalan-dratsy

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ambilanibe Anosibe, kaominina Antananarivo renivohitra.

25-janv-2023

Hatramin’ny nisian’ilay tetikasa fanamboarana ny lalan-drano C 3 izay mandalo eny an-toerana mantsy dia voatery norakofana tanimenabe ilay lalana tara hifamezivezen’ny mponina eny amin’iny faritra iny. Lasa feno fotaka mandrevo ny lalana vokatr’izany ka ankoatra ireo ankizy mpianatra madinika izay tena atahorana mafy dia vehivavy bevohoka iray ihany koa afak’omaly no fantatra fa nianjera tamin’iny lalana iny ka naratra mafy. Velon-taraina ny mponina vokatr’izany. Toy ny tsy eto an-drenivohitra intsony mantsy izy ireo raha ny zava-misy iainany. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra araka izany izy ireo mba hanala ireo tanimemanabe nandrakofana io lalana io hiverenan’ilay lalana tara toy ny teo aloha indray. Mbola ho ela rahateo hoy izy ireo vao hifarana ny fotoam-pahavaratra.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,

Card image cap
26-mai-2025

Lehilahy lehibe iray no hita tsy nahatsiaro tena nanoloana ny «bord»

Card image cap