airtel

Sosialy

26-mai-2025

Moron-dranomasin’i Toamasina

Lehilahy lehibe iray no hita tsy nahatsiaro tena

Sample post image

Lehilahy lehibe iray no hita tsy nahatsiaro tena nanoloana ny «bord»

26-mai-2025

na moron-dranomasin’i Toamasina, ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tao anatina vato efa-joro misy sakany sy lavany ary hita ho toy ny azo atoriana no nahitàna ity rangahy ity nilampatra tao anatiny tao. Nentina tany amin'ny hopitaly be moa izy taorian’izay. Niangaviana tamin’ny alalan’ny antso an-tambazotran-tserasera, noho izany izay mahalala azy na havany hanatona hijery azy nanomboka tamin’iny fotoana iny. Andrasana, araka izany, ny fanampim-baovao momba ny fivoaran’ny fahasalaman’ity raiamandreny ity ary irariana ihany koa ny hiverenan’ny fahasalamany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

May kila forehitra ny tananan'Ambohimanana

Card image cap
27-juil-2026

Zazalahy kely miisa 80 no noforaina

Card image cap
23-juil-2026

Natomboka omaly tetsy amin’ny

Card image cap