airtel

Sosialy

27-juil-2026

Anosibe Angarangarana

Nahazo fampihofanana ireo

Sample post image

mpanasa lamba

27-juil-2026

Nitohy teny amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ny sabotsy teo ny tetikasa fampiofanana momba ny soram-piankohonana sy fampanana asa ny tanora, izay ifarimbonan’ny OIF na ny rafitra iraisampirenena misahana ireo tany miteny frantsay sy ny fikambanana Andrimaso. Ireo mpanasa lamba ao amin’io fokontany io, hoy ny fanazavàn’i Rasoloharisoa Marie Marcelline, mpandrindra nasionalin’ny Andrimaso, no nofidiana hisitraka izany noho izy ireo voasokajy ho isan’ny vondron’olona marefo anivon’ny fokontany. Fampiofanana manao savony, izay mifandraika amin’ny fitadiavany vola, izany hoe, sady azony ampiasaina no amidy izany, hoy izy. Mpanasa lamba avy amina toeram-panasàn-damba miisa 4 eo ireo nantsoina hisitraka fiofanana, izany hoe, maromaro ihany. 4 na herinandro fara-faha ela ihany koa ny fiofanana. Misy koa avy eo ny fampitaovana aorian’ny fiofanana mba hahafahan’ireo mpiofana mampihatra avy hatrany izay nianarany. Mpampiofana matihanina no mandray an-tanana ny fiofanana. Hisy koa ny fanaraha-maso aorian’ny fiofanana hijerena hoe hatraiza ny fahombiazan’izany tamin’ireo misitraka azy, raha ny fanazavàna hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

May kila forehitra ny tananan'Ambohimanana

Card image cap
27-juil-2026

Zazalahy kely miisa 80 no noforaina

Card image cap
23-juil-2026

Natomboka omaly tetsy amin’ny

Card image cap