sy ny MY-SAH HBC ny vadin’ny PRRM
Namaly ny fangatahan’ny Fikambanan’ny Vadina Polisy sy Polisy Vavy (FIVAPOVA) ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Rtoa Elisa RANDRIANIRINA, nandritra ny fihaonana natao tao amin’ny Lapan’Iavoloha omaly. Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny birao nasionalin’ny fikambanana sy ireo birao fiasan’ny sampana avy amin’ny faritra samihafa, niresaka momba ny fanamafisana ny asa sôsialy sy ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny mpiara-belona. Nifantoka tamin’ny fomba ahafahana manatsara ny firaisankina sy mampandroso ny hetsika sôsialy ataon’ny fikambanana ny dinika. Nambara fa ilaina ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fanamafisana ny fiaraha-mientana, mba hahafahan’ny FIVAPOVA mandray anjara bebe kokoa amin’ny fanohanana ireo sokajin’olona marefo sy ireo mila tohana ara-tsôsialy. Nanome fanampiana ara-bola ho an’ny FIVAPOVA Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA. Fanohanana natao indrindra hanamafisana sy hanohizana ireo asa sôsialy efa tanterahin’ny fikambanana izany, ary hahafahany manatanteraka bebe kokoa ireo vina napetraka ho fampandrosoana ny mpiara-monina. Nambarany fa zava-dehibe ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa, indrindra manoloana ireo fanamby ara-tsôsialy atrehin’ny fiarahamonina ankehitriny. Ankoatra io, nahazo fanohanana avy amin-dRamatoa Elisa Randrianirina ihany koa ny ekipa mpilalao handball MY-SAH HBC Itasy, hiatrehana ny fifaninanana Coupe des Clubs Champions de l’Océan Indien (CCCOI) hatao any Maorisy ny 21 ka hatramin’ny 28 novambra 2026. Naneho ny fankasitrahany ny ezaka sy ny fahavononan’ireo tanora vehivavy mandrafitra ny ekipa, izay hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-paritra izy. Nomarihiny fa zava-dehibe ny fanohanana omena ireo atleta malagasy mba hahafahan’izy ireo mifaninana amim-pahatokisana sy hitondra avo ny voninahi-pirenena. Nankahery ireo mpilalao ihany koa izy mba haneho fahavononana sy hiady ho amin’ny vokatra tsara mandritra ny fifaninanana. Ho setrin’izany, nisaotra ny fanohanana sy ny fitokisana nomena azy ireo ny MY-SAH HBC Itasy. « Manome toky izahay fa hoentinay mody ny amboaran’ny CCCOI 2026 », hoy ny fanambaran’ireo mpilalao. Marihina fa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny taranja handball vehivavy nandritra ny taona 2025 sy 2026 ny MY-SAH HBC Itasy. Izany indrindra no nahafahan’izy ireo misolo tena ny Nosy amin’ity fifaninanana lehibe ho an’ireo klioba tompondaka eto amin’ny Ranomasimbe Indianina ity. Hanomboka ny 19 novambra ny fiaingan’ny delegasiona, alohan’ny hirosoana amin’ny fifaninanana any Maorisy.
Toky R