airtel

Sosialy

20-nov-2026

Fitadiavam-bola

maloto amin’ny vazaha

Sample post image

Zazavavy 13 noteren-dreniny

20-nov-2026

hanao horonantsary mamoafady
Zazavavy kely 13 taona nasain-dReniny naka sary mamoafady nalefa tamin’ny vazaha Zava-doza no nitranga tany amin’ny distrikan’i Sambava, Faritra SAVA. Renim-pianakaviana iray no nanery ny zanany vavy vao 13 taona monja sy nampandray anjara azy tamin’ny fakana horonantsary mamoafady, nalefa tamin’ny lehilahy iray tera-tany vahiny. Nosamborin’ny Polisim-pirenena ny 15 Novambra lasa teo io Renim-pianakaviana nahavanon-doza io taorian’ny fitoriana napetrak’ireo tsara sitrapo. Raha araka ny vaovao voaray dia voalaza fa efa nanomboka tamin’ny volana Jona 2026 no nampanaovan’io Ramatoa ratsy fanahy io izany ilay zanany vavy kely io. Nisy nitoroka anefa izy rehefa nahita sy nahatsikaritra izany. Natolotra ny Fampanoavana ny afak’omaly 18 Novambra ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay tompon'antoka. Tombanana ho lelavola maromaro moa no efa azon’ity Renim-pianakaviana ity tao anatin’izay volana maromaro nampiasany ity zanany vavy ity izay.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana nahavanon-doza !
 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Hanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo

Card image cap
19-nov-2026

Manohana ny FIVAPOVA

Card image cap