airtel

Sosialy

20-nov-2026

TETIKASA

AGROPÔLE AO BONGOLAVA

Sample post image

Hanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo

20-nov-2026

Miroso ny fanatanterahana ilay tetikasa Agropôle ny any amin’ny Faritra Bongolava. Tany mirefy 8 000 ha no hanatanterahana izany izay manana tanjona hanamafy ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara. Efa ny 30%-n’ny asa vita no vita amin’izao fotoana izao, raha araka ny vaovao voaray. Vary sy katsaka no isan’ny voly hampiroboroboina ao anatin’ity tetikasa ity, raha tsiahivina. Ny Agropôle moa dia rafitra iray mampifandray ny famokarana, ny fanodinana ary ny famarotana ny vokatra ara-pambolena, mba hanatsarana ny rojom-pihariana sy hampitomboana ny vokatra any amin’ny faritra misy ilay tetikasa. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana eto an-toerana, ho anisan’ny antoky ny fahaleovantena ara-tsakafo. Sady hihena araka izany ny olana ara-tsakafo eto amintsika no hihatsara ihany koa ny asa fiveloman’ireo tantsaha mpamokatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Mandeha tahaka izao ny asa !
 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Zazavavy 13 noteren-dreniny

Card image cap
19-nov-2026

Manohana ny FIVAPOVA

Card image cap