airtel

Sosialy

23-juil-2026

Tanora 18 hatramin’ny 45 taona

Tsy an’asa ny 42%

Sample post image

Natomboka omaly tetsy amin’ny

23-juil-2026

boriboritany faharoa etsy Ambanidia ny tetikasa momba ny soram-piankohonana iarahan’ny fikambanana Andrimaso sy ny OIF na rafitra misahana ireo firenena miteny frantsay. Entina hiatrehana ny fampananana asa ny tanora izany, hoy ny fanazavàn’i Marie Marcelline Rasoloharisoa, mpandrindra eo anivon’ny Andrimaso, ary ho hery manosika ny fampananan’asa ny tanora ihany koa. Fampiofanana mikasika izay no atao eto, hoy izy. Jerena ny filàn’ireo tanora ahafahany miditra amin’ny sehatra ara-dalàna anaty tontolon’ny asa sy manitatra ny ambaindain’ny fitadiavany. Misy avy eo ny fanaraha-maso ny fivoaran’ireo tanora hijerena ny fiantraikan’izay fiofanana voarainy izay. 42%n’ny tanora 18 hatramin’ny 45 taona no tsy manana asa. Ny firaisana faharoa no naneho fahavononana handray ny tetikasa, izay mbola hiitatra amina faritra hafa nefa. Ny OIF no tompon’antoka amin’ny fanaparitahana azy, hoy hatrany ny tenany. Fantatra ny lesoka iainan’ny vahoaka eto amin’ity boriboritany ity, hoy kosa ny delegen’ny boriboritany faharoa, Rijaniaina Rakotonirina. Faran’izay sahirana, hoy izy, ny mponina. Eo ny tsy fahaiza-manao. Eo koa ny fahantrana lalina. Irariana, noho izany, ny fitohizan’ny fiofanana toy itony. Entanina koa ireo orinasa na lehibe na kely hoe rehefa mba vita ny fampiofanana ireto tanora ireto, izay vehivavy ny 60%n’izy ireo, dia mba handray anjara amin’ny fandraisana azy ireo isika na dia hanome fizaran’asa madinidinika ho azy fotsiny aza ahafahany mandroso amin’ny fiainana. Angatahana ny fiaraha-miasan’ny rehetra. 4 isaky ny fokontany anatin’ireo fokontany miisa 24 anatin’ity boriboritany ity ireo tanora nofantenana ho afaka hisitraka izao fiofanana izao. 196, iraka izany, no isan’izy ireo. Hiara-hiasa akaiky ny OIF, ny boriboritany, ny Andrimaso amin’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ireo tanora nandray fiofanana. Miankina amin’ny filàn’ireo tanora ny faharetan’ny fiofanana omena azy, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique