airtel

Sosialy

17-sept-2026

Fiondranana antsokosoko

Olona 18 indray sarona tany Nosy Be

Sample post image

Tsy vao sambany ny tranga

17-sept-2026

fikasana hiondrana antsokosoko tahaka izao, fa efa maro ka ny Nosy Mayotte na Comores matetika no isan'ny andehanan'ireo manao izany. Vao ny 11 jolay hifoha ny 12 jolay 2026, dia botry iray no sarona saika hitondra olona antsokosoko niainga teo amin'ny seranan-tsambon' Ambarovato Nosy Be. Olona 22 isa no tao anatiny ary nahitana zaza amam-behivavy Taorian'ny ny fandraisan'ny Tafika Andranomasina azy ireo dia naterina teo anivon'ny Polisim-pirenena izy ireo ho amin'ny tohiny ny fanadiadiana. Na misy aza ny fmpatsahivina fa mampidi-doza ny fiondranana tsy ara-dalana, tranga izay efa namoizana aina maro tamin'ny faritry Nosy Faly iny taona vitsy lasa izay, dia mbola misy ihany ireo mivarotra aina, mikasa hiala tsy ara-dalàna eto, ary hiditra tsy ara-dalàna any amin'ny firenen-kafa. Na ireo nanao sesintany polotika ny tenany noho ny korontana nisy na voasaringotra tamin'ny afera ara-politika na ara-bola na resaka kolikoly aza dia maromaro ireo fantatra fa niazo an'i Mayotte tamin'ny sambokely avy eo niazo an'i Eoropa, raha tsy hilaza afatsy Praiminisitra iray teo aloha,Tale Jeneralin'ny Jirama iray teo aloha, Depiote sady Minisitra iray teo aloha taorian'ny toe-draharaha politika farany teo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

Notokanan’ny Fondation AXIAN NY

Card image cap