faha 15 septembre teo ny sekoly faha-250 naoriny na nohavaoziny teto Madagasikara, tao amin’ny EPP Ambahikily, Kaominina sy Fokontany Ambahikily, Distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo-Andrefana. Mpianatra maherin’ny 1 000 no mianatra ao amin’ity sekoly ity, izay tantanan’ny mpampianatra 27. Talohan’ny fanarenana ity sekoly faha 250 ity dia efa tranainy sy marefo ny fotodrafitrasa teo, ka anisan’izany ny trano iray naorina tamin’ny taona 1925 izay heverina ho nampidi-doza noho ny mety hirodanany. Nisy ihany koa ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana noho ny fitomboan’ny mpianatra. Noho ny fiaraha-miasan’ny Fondation AXIAN sy ny United World School (UWS), dia natsangana ny efitrano fianarana telo ho an’ny ambaratonga voalohany sy efitrano telo ho an’ny préscolaire izay nanamarihana izao faha 250 ny sekoly nokarakarain’ny fondation Axian izao. Namboarina ihany koa ny trano fivoahana, ny toerana fanasana tanana ary ny toerana filalaovan’ny ankizy. Trano telo efa nisy teo aloha koa no nohavaozina. Manodidina ny 1 150 ny mpianatra afaka hianatra ao anatin’ny tontolo azo antoka sy mifanaraka kokoa amin’ny filany amin’ity taom-pianarana ity 2026 -2027 ity. Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tokony, anisan’izany ny Lehiben’ny Faritra Atsimo-Andrefana, ny Préfet ao Atsimo-Andrefana ary ny avy amin’ny Direction Régionale de l’Éducation Nationale, niaraka tamin’ireo solontenan’ny Fondation AXIAN sy UWS. Ankoatra ny fananganana fotodrafitrasa, dia natao ihany koa ny fanamafisana ny fahaizan’ny mpampianatra. Nanokatra ivon-toerana fanofanana ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny faritra ny UWS, izay ahitana solosaina nomen’ny Yas Madagascar. Napetraka ihany koa ny vato fototry ny kianja fanatanjahantena maro karazana ao amin’ny EPP Ambahikily, ao anatin’ny fandaharanasa M’HETSIKA MVola. Nanomboka tamin’ny taona 2015 ny fandaharanasa Sekoly Yas tantanan’ny Fondation AXIAN. Sekoly 250 no efa naorina na nohavaozina, ka mpianatra maherin’ny 61 000 no misitraka izany amin’ireo faritra samihafa eto Madagasikara. Ho an’ny Fondation AXIAN, tsy ny fananganana trano fianarana ihany no tanjona, fa ny fanomezana tontolo ahafahan’ny mpianatra mianatra am-pilaminana sy ahafahan’ny mpampianatra manatanteraka tsara ny asany. Anisan’ny sehatra ifantohan’ny Fondation AXIAN ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fampandrosoana ara-tsosialy.
Solotiana