iray manontolo, any amin'ny distrikan'i Brickaville. Afak'omaly Sabotsy 25 Jolay tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro no nitrangan'izany. Trano an-jatony no lasa lavenona niaraka tamin'ny entana tao anatiny, harena noharian'ny mponina an-taonany maro raha araka ny vaovao voaray. Avy tamin'ny bateria mitondra herinaratra amin'ny alalan'ny panneaux solaires no voalaza ho nahatonga ny loza. Niampy tahirin-tsolika tao amina tokantrano iray izay ka niely sy niparitaka haingana ny afo. Tsy mbola manana fiara famonoana afo rahateo ny any amin'ny distrikan'i Brickaville. Ny fokonolona no nifanome tanana tamin'ny famonoana ny afo izay naharitra ora maro mihitsy. Mihoatra ny 1000 isa moa ireo tsy manan-kialofana hoy ny vaovao koa hanaovan'ireo tompon'andraikitra any an-toerana antso avo amin'ny Fitondram-panjakana.
Pati
Légende : Tahaka izao no firedaredan'ny afo !