maimaimpoana tao amin'ny kaominina Andranonahoatra, distrikan'Atsimondrano. Afak'omaly Sabotsy 25 Jolay no nanatanterahana izany, hetsika efa fanaon'ny kaominina isan-taona nanomboka tamin'ny taona 2015. Dokotera efa mpiara-miasa tamin'ny kaominina hatramin'izay ihany koa no nanao ny asa fandidiana tamin'ny fomba Amerikana. Nambaran'ny Ben'ny tanana Rasamison Haja fa ny mba hanalana fahasahiranana ny mponina no tanjona. Iray volana no nanangonana ny anaran'ireo ankizy teny anivon'ny Fokontany. Ho an'ireo sanatria mañana olana taorian'ny fandidiana natao dia fantatra fa mbola afaka manatona ny kaominina izy ireo ary ny Ben'ny tanana sy ny ekipany no mampandre ny dokotera. Na izany aza dia tamin'ny 3 taona farany no nisy tranga tahaka izany hoy hatrany ny Ben'ny tanana. Zazalahy kely noforana tany ivelany izy io ka nila fanampiana tamin'ny kaominina ary dia noraisin'izy ireo an-tanana soa amantsara. Tonga nanotrona izany ny depiote Voahangy Raharimanarivo voafidy teny Atsimondrano. Tsiahivina moa fa ankoatra ny asa sosialy dia misehatra amin'ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny kaominina Andranonahoatra.
Pati
Légende : Mbola notolorana kilalao koa ireo ankizy madinika teto !