mpatory an-dalàna na « 4-mi » manorim-ponenana etsy Ambohijatovo Ambony. Tonga nanisa ireo olona tsy manan-kialofana mipetraka anaty trano sachet teny an-toerana ny sampandraharaha teknika eo anivon'ny Boriborintany voalohany omaly ary nanome fe-potoana azy ireo hialana eny an-toerana. Fantatra tamin’izany fa mihoatra ny fianakaviana 8 tonta eo ho eo izy ireo. Olona miisa 3 raha kely no ao anatin’ny fianakaviana iray ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Efa misy moa raha araka ny fantatra ny toerana hametrahana azy ireo ka tsy ho zatra hangataka sy hiandry toloram-potsiny toy ny teo aloha intsony fa ho tia karokaroka sy hivoatra amin’ny fiainana. Tanjon’ny Boriborintany voalohany moa ny mba hahafahana mametraka lamina maharitra. Tsiahivina moa fa miteraka tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny ny toerana misy ireo 4 mis eto an-drenivohitra. Rehefa tsy mahita hoharapaka mantsy izy ireny dia izay olona mandalo no hataony mitondra faisana, tranga miseho matetika eny Analakely sy Antaninarenina.
Nangonin’i Pati
Legende : Feno tranokely miorina betsaka tahaka izao eny Ambohijatovo ambony !