haoriana intsony
Tsy manaiky ny hanaovana kitoatoa ireo foto-drafitr’asam-pambolena haorina eto amintsika intsony ny Ministry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo Ramindo Gaetan. Tsy izany foana akory no handaniana fotoana sy vola eto hoy izy raha nitsidika ny asa fanamboarana ny toho-drano ao amin’ny Fokontany Antanetikely, kaominina ambanivohitr’Ampahitrosy, distrikan’Atsimondrano ny tenany. Fantatra mantsy fa vao tamin’ny taona 2024 no namboarina ity toho-drano ity nefa simba sahady tamin’ity taona 2025 ity. Tsy nanaiky ny Ministry fa nanaovany fanadihadiana kely mihitsy ireo tompon’andraikitra manara-maso ny fanamboarana izany mikasika ny antony naharava azy. Volam-bahoaka no hampiasaintsika hanamboarana azy ireny hoy izy ka tsy tokony hatao tsinontsinona. Nambaran’ireo tompon’andraikitra miandraikitra ny asa fanamboarana moa fa olana ara-teknika no nanimba hatrany ity toho-drano ao Antanetikely ity vokatry ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny ho enti-manana.
Pati
Legende : Indroa namboarina izay ity toho-drano eto Antanetikely Ampahitrosy ity