Nambaran’ny Jeneralin’ny Jirama Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana omaly, fa ho an’ny rano dia efa misy fihatsarany ny famatsian-drano eto Antananarivo amin’ny ankapobeny raha oharina amin'ny teo aloha. Misy ireo toerana tao anatin'ny loko mena no efa misitraka rano amin’ny ampahany amin'izao fotoana izao. Vinavinaina ho voavaha hatramin'ny 90% ny olan'ny famatsian-drano eto Antananarivo amin'ny taona ho avy, noho ireo tetik'asa fampitomboana ny vokatra sy fanatsarana ny fotodrafitrasa izay efa an-dalam-panatanterahana. Mahakasika ny herinaratra, hahena tsikelikely ny fiankinan-doha amin'ireo orinasa tsy miankina mpamokatra herinaratra sy ny fampiasana solika lafo vidy, izay manavesatra ny toe-bolan'ny JIRAMA. sy maintsy dinihina akaiky sy ahitsy ireo fifanarahana fividianana herinaratra (contrats d'achat d'énergie) sasantsasany, ary hamafisina ny famokarana herinaratra ataon'ny JIRAMA. Hifantoka bebe kokoa amin'ny fampiasana angovo azo havaozina ny JIRAMA, indrindra ny angovo avy amin'ny masoandro, izay efa misy tetikasa maro an-dalam-panatanterahana. Ny tanjona dia ny hanomezana rano sy herinaratra tsy tapaka ho an'ny vahoaka. Adidy iombonana, hoy izy, ny fanarenana ny JIRAMA. Nanao antso avo amin'ny olom-pirenena ihany koa ny Tale Jeneraly mba hiara-hiaro ireo fotodrafitrasan'ny Orinasa, izay fananana iombonana nefa iharan'ny halatra sy fanimbana isan-karazany. Miteraka fatiantoka lehibe ho an'ny JIRAMA izany, ankoatra ny fatiantoka efa mianjady amin'ny orinasa noho ny fivarotana herinaratra amin'ny vidiny ambany noho ny saram-pamokarana. Miandry vokatra ny vahoaka.
Toky R