tonga ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana
Fanohanana ara-bola, fampitaovana ary fanohanana sy asa fivelomana no natolotra ho an’ireo mponina marefo tao amin’ny faritra Anôsy, nahitana ny kaominina ambanivohitr’Antanandava, Elonty ary Amboasary Atsimo ny faran’ny herinandro teo. Tantsaha marefo miisa 300 no nomena fitaovam-pambolena toy ny borety, angady, pelle, rateaux, arrosoir. Mbola niampy masomboly ireo ho fanamafisana ny famokarana sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nomena milina fanjairana miisa 6 ihany koa ireo vehivavy, indrindra ireo manana fahasembanana, hanampiana azy ireo amin’ny asa mampidi-bola. Narahina fizarana tantsoroka ara-tsakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny zokiolona miisa 500 izay nahitana vary, menaka, voamaina, siramamy, lamba firakotra, koveta, zinga ary savony niampy kojakoja momba ny fahadiovana ho an’ny vehivavy bevohoka sy fitaovana ho an’ny zaza vao teraka. Tao amin'ny toby fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana na ny CRNM Amboasary no nanatanterahana izany. Nisitraka fanohanana asa fivelomana sy fampandrosoana ny fihariana avy amin’ny tetikasa Zara Mira koa ireo mponina tao Tanandava sy Elonty. Izany rehetra izany no natao dia hisorohana ny hamafin’ny krizy ara-tsakafo manoloana ny mety ho fiantraikan’ny El Nino, sady hanampiana ireo tokantrano marefo hanana fivelomana maharitra. Nitarika ny fidinana ifotony ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, ho fanatanterahana ny iraka avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana, kolonely Randrianirina Michael. Niara-nisalahy tamin’izany ny BNGRC, FID, UNICEF ary ny FIDA.
Pati
Legende : Niresaka mivantana tamin’ny mponina mihitsy ny Ministra teto !