airtel

Sosialy

30-août-2023

AMBOHIMAMORY ITAOSY

Zaza 3 volana narian-dReniny tamin’ny ankizy 12 taona

Sample post image

Tena efa mafy ny fiainana! Mahavita manaotao foana mihitsy ny ankamaroan-dRaolombelona manoloana izany, eny fa na dia ny Reny niteraka heverina ho be fitiavana indrindra aza.

30-août-2023

Zazakely vao telo volana monja omaly Talata no napetraky ny reniny tamina zazavakely hafa 12 taona teny Ambohimamory Itaosy teny. Nilaza fa hiantsena ilay Ramatoa renin'ilay zaza ka niangaviany io zazavavikely io mba hitazona ilay zanany vetivety. Indrisy anefa fa tsy niverina intsony izy. Nanapa-kevitra ny niantso ny zandarimaria ireo olona teo amin’ny manodidina noho izany rehefa tsy nipoitra intsony izy. Noraisina ny fepetra ka nantsoina ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nialoha izany anefa dia nanome lamba firakotra nanoloana ilay zaza ireo olona tsara sitrapo teny Ambohimamory. Nentina tany amin'ny mpitsabo ilay zaza taorian’izany nijerena ny fahasalamany. Efa noraisin'ny avy ao amin'ny Minisiteran'ny mponina moa ny fikarakarana ilay zaza.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny sy ilay zazavavy kely nanarian-dReniny azy !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap