airtel

Sosialy

21-mai-2025

TSENABE FIVOARANA ANDIANY FAHAROA

Hosantarina eny Imerintsiatosika amin’ny 26 mey

Sample post image

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

21-mai-2025

ahitana ny solombavambahoaka Rajerison Antoine. Ao Miakadaza akaikin’ny fampiadiana akoho ao Imerintsiatosika no hisantarana izany ny datin’ny 26 May ho avy izao haharitra 4 andro. Hitohy hitety tanana izany ka Arivonimamo no tanana faharoa handray azy, hitohy ao Manalalondo ary hifarana ao Mahitsy. Trano eva manodidina ny 96 isa no handray anjara amin’izany ahitana ireo vokatry ny tantsaha, ny sakafom-biby fiompy, ny fitaovam-pamokarana…Mpitsidika manodidina ny 50. 000 isa no andrasana amin'ity hetsika goavana ity, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tanjona ny hampivoarana ny sehatry ny tontolo ambanivohitra. Tsiahivina moa fa maherin'ny 85%-n’ ny Malagasy dia tantsaha avokoa izay mivelona amin'ny fiompiana, fambolena, asa tanana ary jono. Tsy mahatosika ny vahoaka Malagasy akory anefa ireo vokatra miakatra noho ny tsy fahampian'ny tantsoroka sy fahaiza-manao, antony nanosika ny fikambanana hihetsika. Tsy ampy rahateo ny paikady entina hanampiana ny tantsaha sy ny famokarana eto Madagasikara hoy hatrany izy ireo.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niteraka resabe ny fihetsika nasehon’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo izay nitady

Card image cap