airtel

Sosialy

22-mai-2026

FIBA 3x3 »

, fiadiana ny tompondaka eran-tany

Sample post image

Hiazo an’i Varsovie ny Ankoay lahy sy vavy

22-mai-2026

Hiatrika fanamby goavana eran-tany indray ny ekipam-pirenena Malagasy lahy sy vavy eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo. Handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany « FIBA 3x3 » ny 1 ka hatramin’ny 7 jona 2026 ny ankoay. Omaly no navoakan'ny Federasiona Malagasin’ny Basket Ball (FMBB) ny lisitr'ireo mpilalao ka ho an'ny lehilahy dia dia mpilalao efatra no voafantina, ahitana an’i Solondrainy Alpha Arnol avy amin’ny klioba Kweni, Rakotovao Marco sy Rasolomanana Anthony Nelson samy avy amin’ny COSPN, ary Randriamampionona Elly avy amin’ny Vautour. Randrianarivelo Jean de Dieu kosa no hitantana ny ekipa amin’ny maha mpanazatra azy. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia tafiditra ao anatin’ny lisitra i Sambatrarimiora Tokiniaina sy Randriantahina Ravaka Sarobidy avy amin’ny GNBC, miaraka amin’i Jaofera Minaoharisoa Christiane sy Hajanirina Muriel avy amin’ny Tampon. Ny fanazaran-tena sy ny fitarihana ny ekipa dia hotanterahin’i Rakotonindrina Eli Mickael. Dingana vaovao lehibe ho an’ny basikety malagasy ity fidirana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ity, taorian’ny fandresena teo amin’ny sehatra kontinantaly satria raha tsiahivina dia azon’ireo ekipa Malagasy roa tonta ny tompondakan’i Afrika, nandritra ny fifaninanana natao teto Madagasikara ny desambra 2025. Ho an’ny ekipa lahy, izao no fandraisana anjara fahatelo amin’ny Mondial, taorian’ny fisehoana voalohany tany Vienne, Aotrisy, tamin’ny 2023 sy tany Oulan-Bator, Mongolie tamin’ny 2025. Ny ekipa vavy kosa dia hanohy ny fandraisana anjara faharoa misesy, taorian’ny fisehoana voalohany tamin’ny Mondial 2025 tany Mongolie. Hanainga ny zoma 29 mey izao ho any Varsovie, any Pologne, noho izany ny Ankoay roa tonta.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nanaovana fikaonan-doha nasionaly ihany koa

Card image cap