Ny fanjifana dia tsy mijanona amin’ny resaka PPN fotsiny ihany fa eo ihany koa ny resaka herinaratra, ny resaka rano, ny resaka fitaterana izay handoavantsika olom-pirenena vola, hoy Atoa Miavoson Dauphin Daniel. Ny tsy fihainona ny mpanjifa no tena olana sy mahatonga ny fipoahana ara-tsosialy misy eto Madagasikara toy ny tamin’ny volana septambra 2025 ireny raha ny nambarany. Misy ny ezaka ataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa saingy tsy ampy ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa misy amin’izao ary tsy mbola misy akony tena mivaingana tsara mipaka amin’ny mpanjifa mivantana izany hoy ity solotenan’ny mpanjifa ity. Ho fanavaozana ny lafiny fanjifana eto amintsika dia nanatanteraka fikaonan-doha fakan-kevitra nasionaly ny mpanjifa avy amin’ny sehatra samihafa eto amintsika, sy ireo ratsa-mangaika miara-miasa aminy, izay eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy fanjifana tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly. Andro iray andinihana mikasika loha-hevitra maro samihafa. Nijerena manokana ny mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Ny mety ho akon’ny fidanganan’ny vidim-piainana eto amintsika. Nitadiavana ireo vahaolana maharitra hanamaivana ny fahasahiranan’ny mpanjifa. Notsidrian’Atoa Miavoson Dauphin Daniel fa fikaonan-doha nasionaly ho an’ny mpanjifa izy ity fa tsy fikaonan-doha ho an’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa. Ho aravona anaty taratasy iray ny fehi-kevitra hivoaka amin’ity fikaonan-doha ho an’ny mpanjifa ity ary atolotra avy hatrany ny amin’ny mpitondra fanjakana sy ho entina amin’ny fikaonan-doha-pirenena ho avy eo raha ny fanazavana.
LALAINA RAV