airtel

Sosialy

29-avril-2024

Ambony ambany ny Firenena

Ny vahoaka mihinam-pako, mpitondra miondam-bola...

Sample post image

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

29-avril-2024

nisiana fihetsiketsehana samihafa nentina nanehoana fa miasa sy mijery ny faritra Atsinanana, dia ny mifanohitra amin’izay ny sary miseho ankehitriny ao Toamasina ao. Mitohy ny fisian’ny andian’olona milaza sy mitsotra fa tena mahantra tsy manan-kohanina sy fadiranovana, misikotra sy mitsindroka ireo vary lo efa notondrahana solika sy nalevina ao amin’ny faritra misy ny orinasa iray. Mba hisakanana izany, voatery nametrahana polisy teo amin’ny toerana hisakana ny fakana izany. Andaniny, nilaza tsy nisy fihambahambana ireo andian’olona maro, misy avy amin’ny faritra lavitra aza, milaza fa mahantra ary tsy voavidy vola ny vary izay efa 1000Ar ny kapoaka ka tsy tokony horarana izahay, hoy izy ireo. « Sahirana ny vahoaka matoa mangady an’io, mitady asa tsy mahita, naheno ilay vary nariana izahay dia tonga mba haka. Sahirana izahay, na varin’akoho aza tsy mampaninona anay. Efa nihinana izahay fa tsy maty», hoy ireo olona tonga misikotra sy mitsindroka ireo vary lo izay an-jatony taonina moa no nodorana sy nalevina. Raikitra hatramin’ny fangalam-piery tamin’ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny zoma teo, ka olona telo mpangady sy mpitsipona vary lo no voasambotra. Andaniny, manamafy ny manam-pahefana, fa voarara ny fihinana ireo vary lo ireo Somary mampalahelo ihany ary marina fa sahirana ny vahoaka, saingy tsy mahasalama, ary voarara. Raha sanatrian’ny vava miparitaka ka misy marary dia isika indray no hilaza fa misy vary lo miparitaka, hoy ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina Atoa Vahiny Yvy Sandro. Endrika maneho sy mampiharihary ny tranga tahaka izao fa mahantra fadiranovana ny Malagasy, tsy antontan’isa fe antontan’isa ny tatitry ny banky iraisam-pirenena fa tafakatra 80,7% amin’ny Malagasy no mahantra fadiranovana miaina ambanin’ny 2,15 dolara na 10000Ar latsaka kely isan’olona isan’andro eo, ary 75,2% no miaina ambanin’ny 4000Ar isan’olona isan’andro. Isan’ny vahaolana aroson’ny Fanjakana ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 266000Ar isam-bolana eo saingy tena hanova inona eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-piainana? Ny asa sy ny fihariana eto ihany koa mbola ny 60 hatramin’ny 70% na mihoatra aza no ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna ka tena hisy fiantraikany amin’ny Malagasy ve ? Mbola ny fireharehana amin’ny tsy dia misy dikany loatra rehefa zohiana no maha maika ny mpitondra, raha jerena amin’ny famerimberenan’ny Filoha Andry Rajoelina fa nitombo ny vatony azony tamin’ny fifidianana teo mitaha ny tamin’ny 2019. Ary i Madagasikara nentiny nandroso sa nihemotra ? Nitombo toy ny isam-bato nambarany fa azony ny vahoaka sahirana sy mahantra. Ny fanaovana fitaovana ara-politika ny vahoaka amin’ny kizarazara sy fihetsiketsehana ataon’ny mpitondra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ve no antenaina fa hitondra fivoarana ? Tena miasa ho an’ny tombotsoan’ny firenena sy ny vahoaka ve ny fitondrana sa tsy rototra sy tsy mahalala afatsy ny sezany ? Tena tsy misy ve ny vahaolana sa ny mpitondra mihitsy no tsy mahomby sy tsy mahalala ny tokony hataony hany ka ny harena eto ny vahiny no tena misitraka, ny volam-panjakana ratsy tantana, ny politika ara-toekarena tsy mahomby,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap