airtel

Sosialy

04-mars-2024

Ananan’olona volabe

Saika hamono tena fa tsy maty

Sample post image

Ny marainan’ny sabotsy teo amin’ny toerana antsoina hoe Anendaka,

04-mars-2024

lehilahy iray, Tsila no anarany, nikasa hamono tena ka notsatohany antsy ny firifany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy maty anefa izy ary tsy fantatra izay mbola ho fiantraikany. Nofatorana izy ary niantsoana polisy mba hisakanana ny fikasan-dratsiny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny hasarotam-piainana no nahatonga azy saika hanao izao. Ananan'olona vola be izy ary raha tsy milamina amin’ity androany ity dia ho lasa daholo ny trano natao antoka sy ny tsena kely izay fivelomany. Tsy zakan'ny sainy izany ka nahatonga azy hamono tena. Marihana fa manan-janaka miisa 3 izy ary any Ambanimaso no monina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap