airtel

Sosialy

19-mai-2023

Sosialy

Andranomanalina-miparitaka ny aretina

Sample post image

Tongan’ny rano maloto any an-tokantranon’ny olona

19-mai-2023

Miparitaka ny rano maloto ao an-tananan’Andranomanalina. Tonga hatrany an-tokantranon’ny mponina mihitsy izany raha araka ny vaovao azo vokatry ny fahafenoan’ny lakan-dranon’Andriantany izay mandalo eny amin’iny faritra iny. Maimbo tsy laitra iainana ny tanana vokatr’izany. Miparitaka ihany koa ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny tazo, ny gripa mahery, ny kohoka….Miantso ny tompon’andraikitra toy ny APIPA araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy. Efa nisy ihany hoy izy ireo ny antso avo natao saingy tsy mbola nisy valiny hatreto. Tsiahivina moa fa saika mitondra faisana tahaka izany avokoa ireo mponina lalovan’ireny karazana lakandrano eto an-drenivohitra ireny rehefa feno na tsentsina izy ireny. Manampy trotraka izany ireo trano fivoahana eny amin’ny faritra iva izay lasa feno tsy fidiny vokatr’io rano maloto miparitaka io hany ka mitsingevana eran’ny tanana ny diky.
Pati
Legende : Tena maloto Andranomanalina
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap