airtel

Sosialy

15-déc-2021

Sosialy

Angovo fampiasa an-tokantrano Hidina ny vidin’ny Vitogaz manomboka anio

Sample post image

Hiverina amin’ny laoniny sy ny nahazatra ny mpanjifa hatramin'izay ny vidin'ny entona fandrehitra fampiasa ao an-tokantranp na “gaz”

15-déc-2021

 eny amin’ny Vitogaz manomboka anio alarobia 15 desambra 2021, raha ny vaovao azo omaly. Ny vidin'ireo karazany rehetra talohan'ny 30 septembra teo izany hiverina sy hihatra manomboka anio izany. Raha hiverenana, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 16% io ny fiakaran’ny Vitogaz, izay nampikaika ny tokantrano mpampiasa io angovo io, saingy hiverina amin’ny teo aloha izany, mba ho fitsinjovana ireo mpanjifa. Naverina ho 51 800Ar izany tavohangina gaz 9kg izay niakatra 60 500Ar teo aloha. Hiverina 72 000Ar ny 12 kg izay efa tafiakatra 84 000Ar,… Taorian’ny fifanenjanana, azo lazaina ho nahomby izany ny fandresen-dahatra sy ny hevitra naroson'ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy, nahatonga ireto mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny gaz nandray izao fanapahan-kevitra izao. Azo lazaina fa henjana ny adi-hevitra nandritra izay volana vitsivitsy izay, ary tonga hatrany amin’ny fanoloana ny Tale jeneralin'ny Vitogaz aza izany, izay vahiny teo aloha, ary teratany malagasy amin’izao fotoana izao. Fanamorana ny fampiasana gaz ho an'ny rehetra no isan'ny hanaovan'ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana ezaka tamin’izao fifandresen-dahatra izao. Voalaza fa vahaolana manoloana ny fahatapahan-jiro lava, sady angovo madio miaro ny fanimbana tontolo iainana amin’ny fampiasana arina sy kitay tonga amin’ny ilan'ny mpanjifa azy amin'zao ankatoky ny fety izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap