Fokontany Ankadinandriana, kaominina Ankaraobato, distrikan'Atsimondrano eny. Tokantrano miisa 19 tafo no fantatra fa misy mikasa handrodana. Arahin'ny fikasan'ireo tompon'antoka haka ny tanin'izy ireo izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Sahondraniriana Raymonde. Efa nanomboka tamin'ny taona 2019 anefa izy ireo no nanajary ny tany raha ny fanazavana azo. Niainga avy tamin'ny disadisan'ny mpiara-monina no niteraka ity ady tany ity ka mpiray tanana amin'izy ireo ihany no fantatra fa mikasa hibodo ny tany izay samy mpanajary avokoa. Ampitaka no nakany sy nanatanterahany izany hoy hatrany Rtoa Sahondranirina na dia efa nisy aza ny fizarana mazava nataon'ny roa tonta. Nambarany ihany koa fa efa nisy ny taratasy fifanarahana natao teny anivon'ny fokontany sy kaominina ny amin'ny tsy tokony hifampikitikitihana ny tanin'ny tsirairay. Efa niakatra teny anivon'ny Fitsarana moa ny raharaha saingy nody mandry ny mpisolovavan'izy ireo ka izao voalaza fa ny faha-10-n' ny volana Jolay izao indray no hihetsika ny raharaha. Hisy mihitsy ny fandrodanana ny tranon'izy ireo, raha ny fanazavana voaray didy izay voalaza fa navoakan'ny Fitsarana. Tsy manaiky izany anefa ireto tokantrano 19 tafo ireto, antony niantsoany mpanao gazety omaly. Miantso ny Fitondram-panjakana sy tompon'andraikitra mahefa araka izany izy ireo mba hijery akaiky mahakasika ity raharaha ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy no Rtoa Sahondraniriana Raymonde anisan'ireo lasibatra amin'ny ady tany eny Ankaraobato eny !