Manam-bady aman-janaka avokoa ny ankamaroan’izy ireo ary 3 isan-tokantrano no vitsy indrindra. Tsy hanana antom-pivelomana intsony anefa izy ireo manomboka anio alakamisy 03 aogositra. Raha araka ny fitarainan’izy ireo omaly mantsy dia hoesorin’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny toerany izy ireo ary tsy afaka hiverina hivarotra eo intsony. Tsy vitsy ireo niezaka ny nandany ny entana namidiny noho izany omaly no sady nivarotra izany mora koa. Tsy mbola fantatra mantsy izay ahitan’izy ireo toerana vaovao indray aorian’izao fanalana azy izao. Ny kaominina Antananarivo renivohitra rahateo raha araka ny fantatra tsy mbola nanome vahaolana ho azy ireo eny fa na dia ny hisorohana azy ireo tsy hangalatra sy hanaotao fotsiny aza. Ny fiainana anefa efa tena, mafy vao mahita iray kapoaka harotsaka. Nisy tamin’ny solontenan’izy ireo noho izany omaly no lasa nidodododo niresaka tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy miala moa fa afaka mivarotra eny an-toerana ihany ireo mpivarotra nahavita nanangana trano azy izany hoe : ireo ara-dalàna mandoa vola isam-bolana.
Pati
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana