airtel

Sosialy

22-déc-2022

Sosialy

Antananarivo III Zokiolona marobe notolorana solombody akoho

Sample post image

Zokiolona am-polony omaly no notoloran’ny Solombavambahoaka Anyah solombody akoho tao amin’ny distrikan’Antananarivo fahatelo faritra nahalany azy.

22-déc-2022

Raha araka ny fanazavany dia zava-dehibe ho azy loatra ny tso-drano azony sy ny ankohonany avy amin’ireny zokiolona ireny isan-taona. Ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona mihoatra no nahazo tombony manokana tamin’izany raha nisy ihany koa ireo roa niavaka izay efa nahatratra 100 taonany avokoa. Nomarihin’ny solombavambahoaka Anyah moa fa tsara kokoa ny manome noho ny mandray, antony hahatsiarovany ireo zokiolona tahaka izao ankoatra ny fanajana azy ireny amin’ny maha-loharano nipoirana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana omaly
 

Dans la même rubrique

28-sept-2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

Card image cap
28-sept-2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

Card image cap