airtel

Sosialy

23-avril-2024

Antananarivo sy manodidina

Mangotraka ny fahirano!

Sample post image

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

23-avril-2024

hatramin'ny 5 ora maraina eto Antananarivo noho ny fanamboarana fantson-drano eny Ambohimiandra, hoy ny Jirama omaly. Toerana maro no voakasika : Analamahitsy, Ambodivoanjo, Ivandry, Alarobia, Ankorondrano, Soavimasoandro, Amboniloha, Anjanahary, Ambatomainty, Manajakaray, Ambodivona, Ankadifotsy, Ambatobe, Ankerana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ankadikely Ilafy, Manjaka, Masinandriana. Mbola niampy ny serasera avy eo, mamaramparana ny asa fanoloana ilay "roulement" ao amin'ny milina Electropompe G7 ety Mandroseza ireo teknisiana. Mandritra izany dia misy ny fikorontanan'ny famatsian-drano toy ny any faritra afovoany: Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Ambohitsirohotra, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Tsimialonjafy, Antaninandro, Behoririka, Andravoahangy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Tsiadana, Andohamandry, Fort-voyron, Mahamasina, Befelatanana, Campus, Ambolokandrina , Ankatso , Cité Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato. Any amin’ny La Haute Vile: Ambanidia, Anjohy, Andohalo, Ambohimitsimbina, Andafiavaratra, Ambonin’ampamarinana. Zone Alasora : Ambohipo Sud, Ankazobe, Mandikanamana, Amoronakona, Ankadindratombo, Ankadindratombo Tsena, Ambodivoanjo, Ambohidrazaka, Mahatsinjo, Ampahibato, Ambohitanety, Mahitsy, Ambohimarina, Mahazoarivo, Mahazoarivo Est, Ankadievo, Ambohitsiroa, Ambohiroy, Ambodivondava, Mendrikolovana, Ambatomalaza, Alasora, Miadana, Ambohitromby. Zone Sud: Tanjombato, Mahabo, Ambohijanaka, Imerimanjaka, Ankaraobato, Ankadilalampotsy, Tongarivo, Ankadiefajoro, Morarano, Mahalavolona. Zone Est: Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva. Rehefa zohiana dia Antananarivo sy ny manodidina no tratry ny fahirano. Mitombo ny mponina, fa ny famokarana tsy miova, ny fotodrafitrasa miha antitra,… Tsy vokatry ny olana teknika ihany, fa efa tena krizy sy fahirano ara-bakiteny!
MBY AIZA ILAY FANAVAOZANA IREO FATSON-DRANO?
Efa hatrany amin’ny volana aogositra 2020 tamin’ny andron’ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha izay nifampitadiavana taty aoriana no nanaovana serasera fa havaozina ny fantson-drano 90km eto Antananarivo, ka ny orinasa Afrikanina Tatsimo TGR International Pipeline Ltd no manao ny asa, mirefy 10km ny dingana voalohany, toy ny eny amin’ny, i Bemasoandro Itaosy Ilanivato 1,05KM, Anjanahary II, Androndrakely 820m, i Soavimasoandro 1 ,498m. Nambara fa tsy hijanona eo mo ny tetikasa satria efa misy famatsiam-bola hoan’ny tetikasa Jirama Water Front, ka mitotaly 380km ny fantson-drano havaozina sy soloina hoan’ny distrika miisa 50 manerana ny Madagasikara, toa an’i amin’izany Mahajanga, Antsirabe, sns,tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana herinaratra manerana ny distrika 119 ka ho vitaina mialohan’ny taona 2021,… Mby aiza izany 4 taona aty aoriana? Tena nandeha sy nahomby ve serasera ivelany fotsiny?
Toky R
 

Dans la même rubrique