airtel

Sosialy

19-mars-2024

Antso fiarahamonina Kristianina

«Sakana miisa 7 no tsy hahafahan’i Madagasikara mandroso»

Sample post image

Niforona ara-panjakana ny taona 2017 ny AFK na Antso fiarahamonina Kristianina,

19-mars-2024

hoy ny filohany, Ricky Andriamparany. Ny antony nananganana azy, hoy izy, dia hampiorina sy hampijoro ireo andry fototra miisa 9 hamerina ny fifampitokisana eto Madagasikara. Tsy mifampatoky isika. Tsy mahay mifanome tanana. Nandalina ny AFK hoe ahoana no fomba hanatanterahana ny vinan’Andriamanitra mikasika ny firenena? Fiarahamonina mifankatia no hahatafavoaka ity firenena ity anaty lavaka. Boky siantifika miisa 9 no efa mivoaka momba izany. 7 efa navoaka. Ny 2 farany amin’ny loabary an-dasy Tazana, izay ho tontosaina eny amin’ny Espace Tazana Alasora ny 12 aprily izao. Hetsika miisa 3 lehibe no mbola ho tontosaina. Eo ity loabary an-dasy Tazana ity. Fiarahamonina mifankatia, mifanome tanana, mifampiaro, mifampivelatra no tadiavina fa tsy mifamaky vava sy mifamitapitaka toy ny amin’izao fotoana izao. Iadian-kevitra amin’ny ankolafin-kery rehetra ny vahaolana amin’izany hoe io ve no tiantsika hahatongavana? «Vinam-pisian’i Madagasikara» no hiantsoana azy io. Izay no namoronan’Andriamanitra antsika. Izay no faminaniana nomeny. Izay no antony hiantsoana ny filoham-pirenena, ireo kandida filoham-pirenena teo, ireo manam-pahefana samihafa eto amin’ity firenena ity sy ireo liana rehetra. Olona miisa 50 mahery eo no nahazo fanasana an-taratasy mazava. Haneho hevitra izy ireo mikasika ny hoe ahoana ny fahitany ny hoavin’i Madagasikara? Hamirapiratra be ve sa tsy hisy ho antenaina? Manazava ny heviny anaty 2 minitra avy ireo. Tsy hisy fanavakavahana ao fa na ny anaran’ny olona handray fitenenana aza dia milahatra araka ny ABD. Rehefa vita izay dia hisy fanazavana ho ataon’ny manam-pahaizana malagasy ato amin’ny AFK. Efa nahavita rindram-baiko lehibe na «progiciel» ny AFK. Ahafahana mitantana io na governemanta na fitantanan-draharaham-panjakana na sehatra maro rantsana na orinasa ary amin’ny fomba tena raitra. Vita tamin’ny taona 2021 io ERP io ary afa-miasa amin’ny fotoana rehetra amin’ny fomba mangarahara. Efa nandondomana varavara tetsy sy teroa fa ny filazan’ny olona dia hoe ahoana, hoy ny manam-pahefana ambony. Manatona fokontany ianao dia hoe tsara io fa ahoana hoy ny kaominina? Manatona kaominina dia hoe ahoana hoy ny distrika? Manatona distrika dia hoe ahoana hoy ny governora? Manatona governora dia hoe ahoana hoy ny fiadidiana ny repoblika? Ho hitantsika ao daholo izany ireo karazan’olona rehetra ireo amin’ity loabary an-dasy Tazana ity dia aleo hifanakalo hevitra ao. Amin’io koa no hivoaka ireo boky miisa 2 farany faha 8 sy faha 9. Ho avy aorian’izay ny fanazavana ny hoe «Actionnariat citoyenne» na olompirenena tompony sy ny hoe misy sakana miisa 7 no tsy hahafahan’i Madagasikara mandroso. Ilana fanovana rafi-pisainana izany ka izay fanovana rafi-pisainana sa «Changement de paradigme» izay no hetsika ho atao manaraka, hoy hatrany ny Antso fiarahamonina Kristianina.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique