amin'ny fitotongan'ny vidim-bary ary nitondra vahaolana amin'ny vary vokatra tamin'ny taom-pamokarana lasa nefa tsy tafavoaka tany Alaotra ny fitondrana fanavaozana. Nisy, omaly, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin'ny orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar) sy ny Fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro. Tanjona ny hamoahana ireo ambim-barin'ny tantsaha aman'arivony taonina izay mbola tsy tafavoaka hatramin'izao ka ny orinasa SPM no hividy azy amin'ny vidiny 1700 Ar ny kilao, ary amin'izao fiandohany izao dia 200 taonina isa-kerinandro no ho vidian'izy ireo raha 50 taonina fotsiny izany teo aloha ary hitombo miandalana izany. Voarakitra ao amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa ihany koa fa mihena 50% ny tamberim-bidy haloan'ny orinasa amin'ny Fiadidiana ny Faritra. Marihina fa mijanonana amin'ny famoahana ireo vokatra mbola tavela ihany io fifanarahana natao sonia io fa tsy mbola mahakasika ny fanangonam-bokatra amin'ity taona ity. Raha ny nambaran'ny tale Jeneralin'ny SPM moa dia 14 000 taonina ny vary nafaran'ny orinasa tamin'ny he-rintaona raha nahatratra 650 000 taonina kosa anefa ireo vary nampidirin'ireo mpandraharaha hafa teto Madagasikara. Hiditra an-tsehatra ho arofaninana amin'ny vidim-bary ny SPM mba tsy hilatsaka ambanin'ny masokarenan'ny tantsaha ny vidim-bary farany ambany,.
Jean D.
Aman'arivony taonina ny vary vokatra tamin'ny taom-pamokarana lasa mbola tsy tafavoaka tany Alaotra