airtel

Sosialy

21-juil-2026

Depiote voafidy

tao Tsiroanomandidy Mila manao fikaonandoha

Sample post image

koa ny tantsaha mpamokatra

21-juil-2026

Mila manao fikaonandoha koa ireo tantsaha mpamokatra any amin'ny faritra Bongolava hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy Randrianarivelo Lucien fa tsy hiandry ny Fitondram-panjakana foana. Jerena eny ifotony mihitsy ny olana sedrain'izy ireo hoy izy toy ny halafosan'ny vidin'ny masomboly sy ny zezika arahin'ny fitadiavana lalam-barotra dia hangonina ary hoentina eo anivon'ny Fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny tokony hanomezana fiofanana tsy mitsahatra entina hanatsarana ny vokatra miakatra. Hampandraisana anjara fitenenana avokoa ny eny anivon'ny Fokontany hoy hatrany ity solombavambahoaka ity, tohizana eny anivon'ny kaominina sy distrika amin'izay tsy hisy ho very anjara. Notsiahiviny moa fa mañana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny Firenena ireo tantsaha mpamokatra ka tsy tokony hatao ankilabao. Hiainga any amin'ny Faritra Bongolava araka izany ny fikaonandoha hotanterahin'ny tantsaha koa andrasana izay mety ho tohiny. Ny 80%-n'ireo vokatra miakatra eto an-drenivohitra moa dia saika avy any amin'ny faritra Bongolava avokoa raha tsiahivina ka lohalaharana amin'ireny ny vary, ny voamaina....Tany mamokatra sady manan-karena ity faritra iray ity.
Pati


Légende : Tany mahavokatra ny faritr'i Bongolava !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

77%n’ny ankizy eto Madagasikara

Card image cap
03-sept-2026

Manolotra fitaovam-pianarana 1 200 ny Fondation Axian

Card image cap
02-sept-2026

tsy miaraka amin’ny mpiasa izany!»

Card image cap
02-sept-2026

karazam-bary vaovao "Besalohy" ny FOFIFA

Card image cap
02-sept-2026

mampiana-janaka

Card image cap