airtel

Sosialy

21-oct-2026

DR

TAFIKA-SENDIKA TRIADE

Sample post image

Miantso ny olona tsy hatahotra

21-oct-2026

hanatona tobim-pitsaboana
Betsaka ireo olona manana olana ara-pahasalamana amin’izao no tsy sahy manatona dokotera na hopitaly. Matahotra ny handoa volabe mantsy izy ireny na dia eny anivon’ny hopitalim-panjakana aza hany ka manao dokotera tenany. Tranga efa tsy vita intsony toy ny taolana tapaka sanatria, ny ratrabe, ny fivalanana tsy mijanona....sisa vao tonga midodododo satria voatery. Tsy tokony hanao izany anefa isika hoy Dr Tafika, Filohan’ny sendika Triade. Tsy misy marary tonga eny amin’ny hopitaly izany hoy izy ka hojerem-potsiny amin’izao andron’ny Fitondrana Fanavaozana izao. Ho an’ny hopitaly lehibe dia nomarihiny fa misy ny Fond d’equite natokana handraisana an-tanana voalohany ireo marary tonga manatona. Fond d’urgence kosa no hiantsoana izany eny anivon’ny CSB ...izay samy tsy misy handoavam-bola. Aorian’izay hoy izy vao mandray an-tanana sy mamoaka am-paosy ny fianakaviana raha misy ilana izany. Misy mantsy ireo nambarany fa vitan’ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny fitsaboana azy ary afaka mody soa amantsara izy avy eo. Tsiahivina moa fa ny sendika Triade no anisan’ny sendika niady sy nitolona voalohany tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha mba hanatsarana ny sehatry ny fitsaboana eto amintsika. Mbola tamin’ny andron’ny forongony dia efa tsy nanaiky resy izy ireo, antony nandefasan’ny Ministry ny fahasalamana tamin’izany fotoana ny lohandohan’ny mpisorona tao anatin’ny Triade niasa tany amin’ny faritra. Nody venty ihany anefa ny rano natsakaina herin-taona taty aoriana ka samy efa miverina manohy ny asany eto an-drenivohitra avokoa izy ireo.
Pati
Legende : Izy no Ravelojoeliandriambelo Antafika, Filohan’ny sendika TRIADE !
 

Dans la même rubrique

20-oct-2026

Namafisina fa tsy nahafeno

Card image cap
20-oct-2026

Notoloran’ny sendikan’ny

Card image cap