Manga ary maharitra ny fiaraha-miasan'ny kaominîna Alasora, distrikan'Avaradrano amin'ny Association Zazakely any Grande Motte atsy La Frantsa. Ankoatra ny fanampiana ara-pitaovana ireo Polisy kaominaly ao Alasora mantsy dia fantatra fa hahazo tombony ihany koa ireo ankizy mpianatry ny EPP ao Amboaroy izay hovatsiana sakafo atoandro isan'andro amin'ny alalan'ny cantine scolaire. Raha tsiahivina kely dia nanana olana tamin'ny tsy fahafahany nanome sakafo atoandro ny mpianatra ity EPP iray ity teo aloha. Niezaka nitady vahaolana araka izany ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Ankehitriny, hiverina amin'ny laoniny tanteraka izany ka hisy ihany koa ny famatsiana boky ho an'ny mpianatr'ity EPP iray ity sy ny EPP ao Ambodivondava. Toraka izany koa ny CEG sy lisea ao Alasora. Fantatra moa fa hitohy amin'ny fampirahavaviana Ireto tanana roa Ireto ny fiaraha-miasan'ny roa tonta atsy ho atsy arahin'ny famerenana ho maitso volo an'Alasora. Hisy ny fambolenkazo hotanterahina ho fiarovana ny nofon-tany tsy ho kahon'ny riaka no sady ho fandraisana anjara mavitrika amin'ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa.
Pati
Légende : Izy no Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominîna Alasora !