airtel

Sosialy

26-août-2026

NOSY BE

HELL VILLE-TAONA 2026 Nihena ireo mpizahantany

Sample post image

vahiny tonga

26-août-2026

Nihena ireo mpizahantany vahiny tonga nitsidika ny tananan'i Nosy Be Hell ville, Faritra DIANA tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taon-dasa. Manodidina ny 20% eo ho eo izany fihenana izany hoy ny vaovao vokatry ny fisian'ny ady tany Iran. Na izany aza anefa hoy ny Ben'ny tanana Atoa Aboudou dia mampiantrano vahiny marobe ny tananan'i Nosy Be amin'izao izay manome tombony manokana ny tera-tany Malagasy. Manodidina ny 15.000 isa ireo olona andrasana ho tonga any an-toerana nanomboka ny fiandohan'ny herinandro teo noho ny fisian'ilay fihaonamben'ny Fiangonana FJKM hotontosaina any an-toerana mandritra ny andro vitsivitsy. Vonona ny tananan'i Nosy Be Hell ville hoy izy handray vahiny. Matotra ihany koa ny fiaraha-miasan'ny kaominina amin'ny OMC hivondronan'ireo mpitandro ny filaminana maro isan-tsokajiny ho fiarovana ny ain'ny vahoaka sy ny fananany. Mbola olana sedrain'ity kaominina ity moa hatreto ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio. Vao mainka manano sarotra izany noho ny fahatongavan'ireo vahiny marobe any an-toerana antony hiarahan'ny kaominina miasa miaraka amin'ny sampana mpamonjy voina na ny pompier hahafahana mamatsy ireo toerana tena be olona. Tsy misy olana firy kosa ny resaka herinaratra hoy hatrany ity Ben'ny tanana ity.
Pati
Légende : Atoa Aly Aboudou, Ben'ny tananan'ny kaominina ambonivohitr'i Nosy Be !
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

ireo tantsaha mpamokatra

Card image cap
25-août-2026

22 avy any Toliara

Card image cap