anivon'ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC ny solontenan’ny CARE omaly Alarobia 14 Janoary. Anton-dian'izy ireo ny nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy sy nampahafantatra ireo ekipa vaovao mandrafitra azy, izay saika malagasy avokoa. Niarahaba ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ihany koa izy ireo noho ny taom-baovao 2026, ary nizara misimisy kokoa momba ny asan’ny CARE izay efa 30 taona mahery no niasany teto Madagasikara, ho fanamafisana ny adidy iombonana amin’ny fitsinjovana ireo mpiara-belona. Nozarain’ny CARE nandritra ny fihaonana ireo tanjona satratejikan’izy ireo toy ny toetr’andro sy tontolo iainana, sakafo sy rano ary sakafo ara-pahasalamana, fitovian-jo ara-pananahana sy fanabeazana. Nambarany ihany koa fa ho hita misimisy kokoa eny anivon’ny asa sy hetsika iarahana amin’ity taona 2026 ity izy ireo, indrindra amin’ireo faritra hiasan’ny CARE toy ny Faritra Boeny, Amoron’i Mania, Anosy ary Androy.Nantitranterin’ny BNGRC ny maha-zava-dehibe ny fandrindrana, ny fanarahana sy fandrefesana ireo asa iombonana, mba hisorohana ny fifanindrina andraikitra. Samy naneho fahavononana hanamafy sy hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa ny roa tonta. Vinavinaina ihany koa ny hisian’ny fihaonana ara-teknika eo amin’ireo teknisianina avy amin’ny roa tonta sy ny fifanaraham-piaraha-miasa hanoritana mazava ny fiaraha-miasan’ny BNGRC sy ny CARE amin'ny ho avy.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonan'ny roa tonta omaly !