Nentina nanamafy indray ny fifankatiavana sy ny firaisankina eo amin’ny vahoaka ny fetin’ny noely 2025 teny Ambohimanarina, ka nanehoana asa soa maro samihafa nataon’ny depiote Todisoa Andriamampandry. Toy ny fanao isan-taona, nizarana PPN sy solombodiakoho ireo Ray aman-dReny sahirana mba hahafahan’izy ireo mankalaza ny fety am-pilaminana sy am-pifaliana. Tsy nanadino ihany koa an’ireo ankizy kamboty tao amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana izay nahazo kilalao, vatomamy ary kojakoja isan-karazany ka nahatsapa fa misy olona miahy sy mijery azy ireo. Nisy sakafo mitam-pihavanana niarahana tamin’izy ireo izay nanamafy ny fifandraisana sy ny firaisankina ary niteraka hafaliana. Nisaorana mnokana ry Masera Benedicte izay mpiahy ireo ankizy kamboty sy manome fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo, fandraisana anjara lehibe amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo marefo. Nandritra ny fety dia naneho firariantsoa ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra ny depiote Todisoa Andriamampandry ka nilaza hoe: “Mirary fety sambatra ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra eo ambany fahasoavan’ny Tompo ary samy hahatratra ny taona vaovao.” Hafatra mampahatsiahy ny lanjan’ny firaisankina sy ny fitiavana izay nambaran’ny teniny hoe: “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.” Ity hetsika ity dia manampy amin’ny fanamafisana fa ny fety dia tsy voafetra amin’ny hafaliana manokana fa fotoana hanampiana sy hizarana hafaliana ho an’ny hafa. Tsy vao sambany tamin’ny asa soa sy fanohanana ara-tsosialy nataon’ny depiote Todisoa Andriamampandry ity fa efa maro ireo fanohanana ho an’ny fianakaviana sahirana, fanohanana ny sekoly sy ny ankizy mianatra amin’ny alalan’ny fitaovam-pianarana, fikarakarana fitsaboana maimaimpoana ary fanohanana ny tanora, vehivavy amin’ny alalan’ny fiofanana sy tetikasa madinika hanatsarana ny fari-piainana,…
Toky R