Nanao fanambarana ofisialy ny kaomina Antehiroka fa nisy tranga fanapoizinana ara-tsakafo tao amin'ny Fokontany Andranoro, Antehiroka omaly. Amin'izao fotoana izao, hoy ny serasera omaly hariva, dia mbola tsy fantatra mazava na avy amin'ny menaka na avy amin'ny atody no nahatonga izany, araka io vaovao navoakan’ny kaominina io. Noho izany, namoahana fampilazana sy niangaviana ireo rehetra mahatsiaro marary loha, fanina, marary kibo na misy soritr'aretina hafahafa, indrindra ireo izay nampiasa menaka , mba hanantona tobim-pahasalamana na hopitaly avy hatrany izy ireo. Efa mandray andraikitra sy manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny Kaominina Antehiroka, miaraka amin'ny Zandarimaria, ny Médecin Inspecteur ary ny Délégué d'Arrondissement, hoy ny filazana. Ny loharanom-baovao hafa kosa no nahazoana fa tafakatra 61 ireo efa nampidirina hopitaly tamin’ity tranga ity, ka 33 eny amin'ny CHU Anosiala, 02 CHU Befelantanana, 26 CHU HJRA. Horaisin'ny fitondram-panjakana an-tanana avokoa ny fitsaboana ireo marary araky ny fifampiresahana nataon'ny Ben'ny Tanàna , Rtoa Toky Harilanto Andrianarivelo tamin'ny tompon'andraiki-panjakana, hoy ny tatitra. Manomboka sesilany indray ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo. Tsy vao ity fa efa nisy tranga nampiahiahy, ohatra, tany amin’ny distrikan’Anjozorobe izay nahatonga fanaraha-maso hentitra. Raha mampahatsiahy dia volana jona tahaka izao ilay raharaha Ambohimalaza.Asa noho ny vanim-potoana ve ? Mitobaka ihany koa ireo entana tsy azo antoka amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fetim-pirenena izao ? Tsara ny manamarika, fa misy ny fanaraha-maso ataon’ny Minisiteran’ny varotra sy fanjifana manoloana ireo antana mampiahiahy sy ahiana hiteraka fahapoizinana, toy ny hena voahodina na « charcuterie », frômazy, entana am-by fotsy,… izay efa nisy aza fivarotana lehibe nakatona teto Antananarivo, nisy ny fanagiazana ampahana entana,… Tsy teto ihany fa hatrany Fianarantsoa, Antsirabe,… Mety tsy maharaka noho ny fitohaban’ireo entana tsy ara-dalàna, ka mila manamafy ny fanaraha-maso ny Fanjakana na ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana na ny eo anivon’ny fahasalamana izay misy ny ACSSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires), tahaka izany ihany koa ny CNCA (Comité Nationale du Codex Alimentarius),… Mila mailo sy mitandrina ny rehetra, indrindra ny mpanjifa!
Toky R