Ampefiloha dia miisa 43 no niditra hopitaly noho ny voalaza fa tranga fahapoizinana ara-tsakafo teny Imerikasina, tao amin'ity hopitaly ity, hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina. 9 no namoy ny ainy tao. 3 namoy ny ainy tany amin'ny hopitaly hafa. Ny 1 tao Andohatapenaka. Ny 1 tao amin'ny HOMI Soavinandriana. Ny 1 tany amin'ny toeram-pitsaboana tsy miankina. 13 ao anatin'ny fahasarotana. 21 tsy dia misy ahiana intsony. Miisa 12, araka izany, ireo namoy ny ainy, raha ity tarehimarika ofisialy ity. Nitsidika ireo niharam-boina niaraka tamin'ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny minisitry ny filaminana anatiny ary ny minisitra delege misahana ny zandarimaria omaly hariva tetsy amin'ny CHU-JRA Anosy ny minisitry ny serasera sy kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta. Nifamahofaho be ihany moa ny tarehimarika voaray nikasika ity tranga nampivarahontsana taorianana fety fankalazàna tsingerintaonana tovovavy 18 taona ny 14 jona teo, raha tsiahivina, ity. Nisy tamin’ireo fianakavian’ireo namoy ny ainy no manahy fa fanapoizinana ara-tsakafo na «empoisonnement alimentaire» fa tsy fahapoizinana ara-tsakafo na «intoxication alimentaire» no nitranga. Ny Donat sy masikita tamin’ny «cocktail» na fanokafam-bavony no ahian’ireo fianakaviana ho nisy tsy nilamina. Mpanao sakafo na «traiteurs» miisa 2 no niasa tamin’io fotoana io ka hafa no nisahana izay fanokafam-bavony izay ary hafa kosa no nisahana ny sakafo tao an-trano. Zazavavy iray nanandrana ny sakafo nialohan’ny tena lanonana no avy dia niraikitra ny lelany ary nitolefika ka isan’ny namoy ny ainy koa rehefa tonga teny amin’ny hopitaly, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hariva hatrany.
Nangonin’i J. Mirija